Mamafaza voa mba hojinjana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Martsa 2022
HOSEA 10.12-15
HOSEA 10.12-15
12 Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo*; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo**.[*Na: Miasà tany vaovao ho anareo][**Na: hampianarany anareo ny fahamarinana] 13 Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo* ianareo.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao] 14 Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo*, ka horavana ny tanànareo* mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao] 15 Toy izany no hataon'i Betela* aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]Mamafaza voa mba hojinjana
Ny fotoam-pamafazana no fotoana lehibe indrindra eo amin’ny mpamboly .Raha ratsy ny fotoana hamafazana sy hambolena dia ho ratsy ny vokatra .Mety ho ny voa nafafy koa no ratsy dia ho ratsy ny vokatra ary etsy andanin’izay dia mila tany lonaka ihany koa ny voly atao .
1-Mamafaza araka ny fahamarinana
Ny fahamarinana ambara eto dia tsy izay neken’ny fiaraha-monina ho marina fa izay marina araka an’Andriamanitra sy ny sitrapony . Takian’Andriamanitra izany , satria samy efa niala tamin’ny fahamarinana ny olona na tamin’ny andron’iHosea na amin’izao andro ankehitriny izao . Hoy i Paoly hoe : « Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo ,ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy » (Gal 6.8)
2-Mijinja araka ny fitiavana
Izay ataon’ny olona no hamaliana azy avy. « Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana » (Oha 22.8). Ary izay mamafy fahamarinana dia hijinja fitiavana .Tsy hanantena voa tsara anefa izay manao ratsy . Hoy i Jesoa hoe : « ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara » (Mat 7.18) .Izay nafafintsika ihany no hojinjantsika. Koa raha mitoetra amin’ny fahamarinana isika dia afaka miandrandra fifaliana sy fahasambarana .
3-Amboary ny rany ambolena
Mba hampisy vokatra tsara dia mila amboarina ny tany.Hoy ny Tompo eto hoe : « hevoy ny tombamborakareo ». Ny tombamboraka dia tsy inona fa tany efa ela tsy nisy niasa ka tonga maina sady mafy , ka mila karakaraina mba ho tonga tany mahavokatra. Toy io ny fontsika .Tokony ho karakaraina sy atolotra an’i Jesoa ho tonga fo nofo fa tsy fo vato .
Fanontaniana :
Efa natolotra nyTompo ve ny fonao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM