Mamaly ny faharatsian ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 17 Martsa 2022

MIKA 3.1-4

MIKA 3.1-4
1 [Ny nahadiso ny lehiben'ny Isiraely sy ny mpaminany, ary ny handravana an'i Jerosalema]Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon'i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak'Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny? 2 Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin'ny taolany, 3 Eny, ianareo izay homana ny nofon'ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin'ny fahandroan-kena. 4 Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo.

Mamaly ny faharatsian ny Tompo

1- Andriamanitra mahita ny ratsy ataon’ny olona (and2)

Ireo mpitarika tamin’izany dia niala tamin’ny fitsipi-pitondrantena araka an’Andriamanitra izay efa nomena azy ireo ka nanolo-tena tamin’ny lalàna manokana araka ny sitrapony izy mpitarika. Io ilay ambara hoe : faharatsiana sy tsy rariny .Ary ireny dia nikendreny hahazoana tombotsoa ara-materialy . Hitan’Andriamanitra izany fa tsy mahamendrika ka ambarany mazava .Tahaka izany koa isika ankehitriny . Antsoin’Andriamanitra ho tia fahamarinana sy hankahala ny faharatsiana mba hisiam-piadanana ny fiainantsika « mankahalà ny ratsy , mifikira amin’ny tsara » (Rom 12.9)

2- Andriamanitra tsy tia ny fanambakana (and3)

Jereo tsara ny fomba anambaran’Andriamanitra ny ataon’ny mpitarika « eny , ianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa , sady manendaka ny hodiny , ary mamakivaky ny taolany » .Izany hoe: mihatra amin’ny ain’ireo vahoaka mihitsy ny fampahoriana sy fitsetsefana tafahoatra ataon’ireo amin’ny vahoaka . Izany koa anefa dia manambara fa Andriamanitra dia mahatsapa ny fampahoriana antsika ka manameloka izay mahavita izany .Andriamanitra miandany amin’izay voaroba sy malahelo.

3-Andriamanitra tsy mihaino ny ratsy (and4)

« Amin’izany dia hitaraina amin’i Jehovah izy , nefa tsy hohenoiny na oviana na oviana ary ambarany mihitsy aza hoe : hanafina ny tavany Andriamanitra amin’izany andro izany . »Raha mananty tànana ianareo dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho. Eny , na dia manao vavaka be aza ianareo , dia tsy hihaino Aho. Feno ran’olona ny tànanareo » (Isa 11.5) .Diso ny fiheverantsika fa toa ambinina sy toa sambatra ireo mpitarika na dia ratsy aza .Efa adinon’Andriamanitra ireo .

Fanontaniana :

Efa nivavaka ho an’ny mpitarika anao ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM