Nahoana no tsy mahita ny haben’ny famindrampon’ny Tompo ny olona?
Mofonaina anio: Zoma, faha 18 Febroary 2022
ROMANA 9.14-26
ROMANA 9.14-26
14 Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany! 15 Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo (Eks. 33. 19). 16 Koa dia tsy avy amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra Izay miantra. 17 Fa hoy ny Soratra Masina tamin'i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra (Eks. 9. 16). 18 Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo. 19 Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony? 20 Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao? 21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? 22 Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, 23 mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, 24 dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa, 25 araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25); 26 Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1).Mampianatra antsika ity perikopa ity fa :
1-Masi-mandidy Andriamanitra (and14-18)
« Koa izay tiany hamindrana fo no hamindrany fo ary izay tiany hamafiana fo no hamafiany fo » , hoy i Paoly rehefa avy manazava ny amin’i Mosesy izay nofidian’ Andriamanitra sy ny amin’i Farao izy nohamafiana fo mba hanehoana ny voninahitr’Izy Tompo. Maneho izany fa masi-mandidy ny amin’izay tiany atao Izy, tsy voafetran’olombelona fa mahalala izay mety sy tokony atao .Tsy Andriamanitra mizaha tavan’olona anefa Izy , fa izay ataony dia hokendreny mandrakariva ny mba hananan’ny olona fifandraisana tsara Aminy tahaka izay nahariany Azy tamin’ny voalohany .Io Andriamanitra marina sady masi-mandidy io no hitaomana anao koa mba hinoanao, fa ny zanany lahitokana aza nomeny hamonjena izao tontolo izao (Jao 3.16) .Olombelona iza no hahavita izany?
2-Be famindrampo Andriamanitra (and19-26)
Raha ny tanimanga sy ny mpanao Azy no hanoharan’i Paoly ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olombelona dia midika mihitsy izany fa tena afaka manao izay tiany amin’ny voahariny Izy Tompo ary tsy mana-kalahatra eo anatrehany akory ny olona, kanefa tsindriana eto koa ny hoe : « be fahari-po » (and22) Izy .Ny hevitr’izany dia hoe : miaritra na mandefitra ny tsy mety ataon’ny olona izay efa tokony haringana noho ny fahotany ka mivonona hamela heloka sy hamindra fo ary tsy manavaka na iza na iza fa « hiantso ny tsy oloko hoe: oloko aho, ary ilay tsy malala hoe : malala« . Manana anjara amin’izany famindrampo izany ianao , ary ho anao indrindra no nanomezany an’i Kristy hisolo ny helokao mba hahazoanao ny famonjena .
Fanontaniana:
Nahoana no tsy mahita ny haben’ny famindrampon’ny Tompo ny olona?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM