Efa akaiky ny fverenan’ i Jesoa
Mofonaina anio: Talata, faha 15 Febroary 2022
Matio 24 :32-35
Matio 24 :32-35
1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.Efa akaiky ny fverenan’ i Jesoa
1.Satria efa miseho ireo famantarana nambarany
Hoy I Jesoa hoe:”raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy”(and.33). Ny hoe” izany rehetra izany » ambarany eto dia ireo famantarana maro (and4-31) : ny fisehoan’i Kristy sandoka , adin’ny firenena samy firenena , mosary , horohorontany , fanenjehana noho ny amin’i Jesoa , tsy fankatoavan-dalàna, fangatsiahan’ny fitiavan’ny maro .Ireo rehetra ireo dia miseho mialohan’ny farany ,fa tsy maintsy mandre ny Filazantsara avokoa ny nofo rehetra vao ho tonga ny farany . Ary moa ve tsy efa miseho sy atrehantsika avokoa ireo voalaza rehetra ireo ? Handeha àry isika hilofo amin’ny fitoriana ny Filazantsara mba hanafaingana ny fiverenan’i Jesoa ka hifaran’ireo fahoriana rehetra ireo .
2-Ka aoka hiorina amin’ny teniny irery ihany
« Ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona » (and35) ,hoy i Jesoa . Izany dia entiny milaza fa ny teniny ihany no tsy miova, na ny fahefany , na ny fahatanterahany na ny fahamarinany . Taomina àry isika amin’izao andro farany izao mba tena hiorina sy hifikitra mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra , fa sady arofanina tsy hahavoafitaka antsika izany no mitazona ny finoantsika tsy hangozohozo ary hampaharitra antsika hatramin’ny farany amin’ ny fanarahana an’i Jesoa .Na toa inona na toa inona hamafin’ny fanenjehana fa : »izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (and13) , hoy i Jesoa .
Fanontaniana :
Hatraiza ny fiorenanao amn’ny Tenin’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM