Manatanteraka ny Teniny Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 05 Febroary 2022
HEBREO 11.11-12
HEBREO 11.11-12
11 Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana. 12 Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.Manatanteraka ny Teniny Andriamanitra
1 Mahatoky Izy
Andriamanitra mahatoky dia midika fa Andriamanitra marina amin’ny teny nambarany, tsy miova, tsy mivadika fa izay lazainy dia ataony sa tanterahiny tokoa. Noraisin’i Saraha tamin’ny finoana noho izany ny teny fikasana nataon’Andramanitra taminy fa hanana anaka izy. Na dia efa antitra aza izy sy Abrahama vadiny dia tsy nisalasala nanoloana ny Tenin’ Andriamanitra. Tsarovy fa toetra mampiavaka an’Andriamanitra ivavahantsika ny maha Andriamanitra marina sy mahatoky Azy. Raiso amin‘ny finoana ny Teniny nambara taminao. Minoa, matokia fa izay lazainy tsy maintsy tanterahiny ho amin’ny fiainanao.
2- Miasa amin’ny heriny mahagaga
Niaina ny fahatanterahan’ ny Teny fikasan’Andriamanitra tokoa i Abrahama sy Saraha vadiny. Amin’ny fijery sy ny fisainana maha-olombelona dia efa tsy tokony hiteraka intsony izy ireo. Noho ny finoany an’Andriamanitra anefa, ary indrindra noho Ilay Andriamanitra mitana ny teny nataony izay niasa tamin’ny fomba tsy takatry ny sain’olombelona, dia niteraka an‘i Isaka tokoa i Saraha, ary tsy nijanona tamin’izany fa nanana taranaka maro be izy ireo, Tanteraka tokoa ny hoe : ho tonga firenena lehibe i Abrahama. Tsarovy fa amin’izay toe-javatra tsy ahitana vahaolana, tsy ahitana làlana hombana dia eo mandrakariva Andriamanitra mitondra vaha-olana mahasoa ho anao. Minoa ny Teniny fa miasa amin’ny heriny Izy.
Fanontaniana :
Nahoana no mbola misy olona misalasala ny amin’ny fanatanterahan ‘Andriamanitra ny Teniny ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM