Momba ny mpino mandrakariva ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Febroary 2022
JAONA 14.12-14
JAONA 14.12-14
12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. 13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. 14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako]Momba ny mpino mandrakariva ny Tompo
Miatrika ny asa fanompoana nanirahan’i Jesoa Kristy azy ny Fiangonana.Tsy miasa irery anefa amin’izany fa momba mandrakariva ny Tompo . Niakatra ho any amin’Andriamanitra Ray i Jesoa Kristy , saingy ny Fanahy Masina no nomeny misolo toerana Azy ao anatin’ny mpino Azy . Ny olona manana ny Fanahy masina manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina dia mahavita asa lehibe tokoa ho fanomezana voninahitra an’Andriamanitra .Mazava araka izany fa mitana ny Teniny ny Tompo . Na dia niakatra ho any an-danitra aza i jesoa Kristy dia ny Fanahy Masina no momba ny mpianatra amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara napetraka ho adidin’ny mpino .
2-Mamaly vavaka mandrakariva ny Tompo
Sarotra ny asa fanompoana napetraka hotanterahin’ny Fiangonana.Hitaona olona ho an’Andriamanitra , handray ny famonjena.Tsy mitazam-potsiny ilay ratsy fa miezaka mamingana. Manoloana izany dia manome toky i Jesoa Kristy fa noho ny amin ‘ny asa ho fankalazana an’Andriamanitra dia afaka mivavaka , mangataka amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy izy ireo ,mametraka Aminy ny asa tanterahiny .Noho ny asan’Andriamanitra dia azo antoka ny valimbavaka. Mitana ny teniny hatrany Izy . Noho izany , ankino amin’Andriamanitra mandrakariva ny asa fanompoana nifidianany anao .
Fanontaniana:
Nahoana no misy olona mitsoaka an-daharana amin’ny asa fanompoana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM