Ny olona miandry ny fiavian’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Janoary 2022
JAKOBA 5.7-11
JAKOBA 5.7-11
7 [Toky ho an'ny Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. 8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo. 9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana. 10 Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana. 11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.Ny olona miandry ny fiavian’ny Tompo
1-Manana faharetana
« Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fiavian’ny Tompo » (and8) . Na dia eo aza ny fahoriana sy ny fahasahiranana tsy maintsy iaretana amin’izao andro izao dia miandry amin’ny faharetana ny fiavian’ny Tompo ny mpino. Ny fiverenan’i Jesoa Kristy dia fahatanterahan’ny fanafahana ho an’ny kristiana ary fandravana ho an’ny mpanao ratsy .Koa tahaka ny iandrasan’ny mpiasa tany amin’ny faharetana ny vokatry ny tany no iandrasantsika ny fiavian’ny Tompo .Izany fiavian’ny Tompo izany dia fandtesen’ny fanjakan’Andriamanitra sady famonjena ho an’ny zanany . Satria manantena izany famonjena izany isika dia mampaheza ny tenanao ao amin’i Jesoa Kristy mba haharetanao hatramin’ny farany .
2-Miala amin’ny fifanomezan-tsiny
« Aza mifampimonomonona ry rahalahy , fandrao hohelohina ianareo .Indro ny mpitsara ... » (and9)
Miteraka fahasorenana eo amin’ny samy mpiara-manompo ny ngidin’ny fahoriana iaretana amin’ny fiainana andavanandro.Lasa mifampimonomonona , mifanome tsiny , mifanaratsy etsy sy eroa .Mahatonga fitsarana avy amin’ny Tompo anefa izany .Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny samy mpino kristiana , mifanome tsiny sy mifanaratsy .Aleo mandefitra na dia iharan’ny tsy rariny aza , satria efa nanome fianarana momba izany fiaretana fahoriana izany i Joba . Koa aza mifampimonomonona noho ny amin’ny Tompo , fa Izy hamindra fo aminao ka hanome izay tokony ho anao .Sarotra anefa izany , tsy efan’ny nofo aman-dra ka mianara mandefitra ao amin’i Jesoa Kristy dia ho vitanao izany .
Fanontaniana :
Inona no sakana tsy hahafahanao mandefitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM