Jesoa Kristy tsy miova mandrakizay
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Janoary 2022
Hebreo 13. 7 - 16
Hebreo 13. 7 - 16
7 Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany. 8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. 9 Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy. 10 Isika manana alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. 11 Fa rehefa nentin'ny mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny. 12 Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny. 13 Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. 14 Fa et? isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy. 15 Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. 16 Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra.Jesoa Kristy tsy miova mandrakizay
1- Anorenana ny finoana
« Aza mety havilin’izay fampianarana maro hafahafa … Fa tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo « (and. 9 )
Mananatra ny mpino kristiana rehetra ny Soratra Masina eto mba tsy ho voavilivilin’ny fampianarana hafa izay toa marina kanefa mifanohitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Fampianarana izay miorina amin’ny fihinanana fa tsy mampiorina ny fo amin’ny finoana an’i Jesoa. Ny finoana an’i Jesoa Kristy irery ihany anefa no mampahery sy mitondra fiadanana. Koa izay maniry fiadanana dia miorina amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny finoana velona. Koa aoreno amin’i Jesoa Kristy tsy miova ny finoana.
2- Iderana an’ Andriamanitra
« Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, … » (and. 15)
Noho ny fanati-panavotana, izay nanadio antsika ho afaka amin’ny fahotana rehetra, nataon’i Jesoa Krsity ho antsika dia aoka tsy hanankina ny fo amin’ny fanatitra tsy maharitra. Satria famonjena lehibe no azo tamin’izany, dia tokony hanolotra fanatitra fiderana ho an’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny mpino; izay mariky ny fanolorana ny fo sy ny fiainana ho Azy. Tsy eken’Andriamanitra ny fanoloran-tena ho Azy raha tsy amin’ny alalan’ i Jesoa Kristy, izay midika ho fiderana an’ Andriamanitra .
Fanontaniana :
Ahoana ny fomba entinao miaina ny fanoloran-tena sy ny fiderana an’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM