Andriamanitra mitana ny teniny

Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Janoary 2022

ROMANA 11.25-32

ROMANA 11.25-32
25 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa; 26 ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy; 27 Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59. 20, 21; 27. 9). 28 Raha ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana. 29 Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany. 30 Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po, 31 dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. 32 Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra.

Andriamanitra mitana ny teniny

1-Tsy miova amin’ny fiantsoany

« Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany » (and29)

Nomen’Andriamanitra ny Israely avokoa ireo fanomezam-pahasoavana samihafa , toy ny lalàna , ny fanekena ,ny fombam-pivavahana , ny fananganana anaka ary ny razana nipoiran’i Kristy araka ny nofo .Ka na dia misy mandiso fanantenana an’Andriamanitra aza ny sasany tamin’ireo, tsy manenina tamin’ny fiantsoany ny Israely Andriamanitra , satria mbola misy amin’izy ireny mbola mibebaka ihany. Ny teny fampanantenana rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny olom-boafidiny dia tanterahiny avokoa mba hahatanteraka ny fikasany ho famonjena ny olona rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy .

2-Mandray ny olona rehetra

« Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ny tsi-fanekena mba hamindrany fo amin’izy rehetra » (and32)

Ny Jiosy no nanaovan’Andriamanitra ny fanekena tany am-piandohana ary ho azy ireo ihany koa ny famonjena , kanefa noho ny tsy faneken’ny Jiosy an’Andriamanitra no nahatonga famindrampo ho an’ny Jentilisa . Noho ny tsy finoan’ny Jiosy no nahatonga famonjena ho an’ny Jentilisa. Izany hoe : ny olona rehetra , ary izany no nahatonga an’Andriamanitra nanome an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy izao tontolo izao .Tsy misy fanavahana ara-pirazanana intsony ny famonjena fa miankina amin’ny finoan’ny olona an’i Jesoa Kristy no mahatonga azy ho voavonjy na tsia .

Fanontaniana :

Inona no sakana tsy handraisan’ny olona ny famonjena ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM