Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra antsika

Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Janoary 2022

ISAIA 41. 1-7

ISAIA 41. 1-7
1 [Ny fahalehibiazan'i Jehovah, izay miseho amin'ny fitondrany ny firenena sy ny fiarovany ny Isiraely, ary ny fanambarany rahateo ny zavatra mbola ho avy] Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin'ny fitsarana. 2 Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban'ny fahamarinana tamin'ny diany rehetra*, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? [Na: nantsoin'ny fahamarinana hanaraka azy] 3 Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin'izay lalana tsy mbola nodiavin'ny tongony. 4 Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy. 5 Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga. 6 Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin'ny rahalahiny avy hoe: Matokia. 7 Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin'ny tantanana nampahery izay nively teo amin'ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin'ny hombo izy mba tsy hihozongozona.

Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra antsika

Teny fampiononana sy fampaherezana izay mampiseho ny fahefan’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra no atolotra anio :

1-Izy no mitondra ny firenena rehetra

Mandidy amin’ny firenena sy ny olona rehetra mba hihaino tsara : « mangina hihaino Ahy ianareo , ry Nosy, ary aoka handroso hery ny firenena . Aoka hanatona izy ka dia hiteny . Andeha isika hifanatona eo amin’ny fitsarana  » (and1).Asehony Ffa eo am-pelatànany ny fahefana rehetra ka azony ampiasaina araka ny sitrapony .Ny mpanjaka Persiana izay tsy mahalala Azy akory no notendreny ho toy ny mpitsara hamoaka didim-pitsarana hanafahany ny vahoakany avy amin’ny fahababoana . Ny fanafahana antsika tamin’ny fanadevozan’ny fahotana dia tsy avy amin’ny herin’olombelona fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy .

2-Izy no fiandohana sy fiafarana

« Izaho Jehovah no voalohany , ary hatramin’ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy « ‘and4) . Ilay Andriamanitra Mpahary izao rehetra izao no mitondra sy mifehy ny tantaran’ny zavatra rehetra . Izy koa no anton’ny fisian’ny fitohizan’ny taranaka . Izy no mihary sy mitantana ny vahoakany araka ny sitrapony . Izy no mahatanteraka izay rehetra nampanantenainy ho an’ny taranaka mifandimby. Io toetran’Andriamanitra tsy miova io dia mitondra hery sy fanantenana ho an’izay rehetra nantsoiny ka mino Azy ; na dia nandalo fotoan-tsarotra aza ny firenena rehetra . Amin’ny fiafaran’ny zavatra rehetra dia ho avy indray Izy hitsara ny olona rehetra araka ny asany avy .Mbola betsaka ireo firenena mifikitra sy miantehatra amin’ny fanompoan-tsampy . Adidintsika fiangonana ny mampahafantatra sy mampiomana ny olona ka mitaona azy hibebaka mialoha ny fiafaran’izao rehetra izao .

Fanontaniana :

Raha ho avy ny Tompo ,efa vonona tokoa ve ny fiangonana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM