Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 01 Janoary 2022

JAONA 1.14-18

JAONA 1.14-18
14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. [*Gr. nitoetra an-day] 15 Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy 16 Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana. 17 Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].

Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra

Andriamanitra dia fitiavana , ary noho ny fitiavany antsika dia nahary antsika olombelona Izy , sady maneho zava-mahagaga.

1-Tonga olombelona Izy

« Ary ny Teny tonga nofo… ». Ny finoantsika kristiana dia miorina amin’ny fanambarana fa Andriamanitra no nahary izao tontolo izao . Tsy nitoetra amin’ny maha-mpahary izao rehetra izao fotsiny anefa Izy , fa tonga olombelona tahaka antsika . Ary ilay « Teny  » tonga nofo , izay ambaran’ny Soratra Masina eto dia tsy hafa fa Jesoa Kristy , izany hoe : Ilay Andriamanitra mpahary izao rehetra izao ho tonga olombelona . Avy amin’izany no hahatakarantsika fa tia antsika Andriamanitra, ka nanetry tena mba hanam-pitoviana amintsika . »Fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’olona  » ( Fil 2.7)

2-Niara-nonina tamintsika Izy

« Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika « .Ny fiarahany monina amintsika zanak’olombelona dia manambara amintsika fa hitany sy tsapany avokoa izay rehetra manjo antsika , na ny fahoriana , na alahelo , ny tebiteby sns…Hatrizay hatrizay Andriamanitra ka ho mandrakizay . Fahasoavana lehibe ny fiarahany monina amintsika .Ho anilantsika mandrakariva Izy , ary manatrika antsika amin’izay rehetra atao sy amin’izay rehetra aleha , mba hahitantsika ny voninahiny eo amin’ny fiainantsika , araka izay anambaran’ny mpanoratra Azy hoe : « Ary hitanay ny Voninahiny , dia voninahitra mendrika ho an’ny lahitokana avy amin’ny Ray , sady feno fahasoavana sy fahamarinana« 

Fanontaniana :

Midika inona amin’ny fiainantsika ny teny hoe : « Imanoela » ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM