Mifalia ao amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Desambra 2021

ZAKARIA 8.18-23

ZAKARIA 8.18-23
18 Ary ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe: 19 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin'ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin'ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin'ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an'ny taranak'i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana. 20 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin'ny tanàna maro ho avy; 21 ary ny mponina ao amin'ny anankiray hankany amin'ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin'i Jehovah sy hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro; izaho koa mba handeha. 22 Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro, any Jerosalema sy hifona amin'i Jehovah. 23 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin'ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban'ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.

Mifalia ao amin’ny Tompo

1-Hosoloina andro firavoravoana ny fifadian-kanina

Ny fifadian-kanina lazaina eto dia fahatsiarovana ny fahoriana lehibe nanjo ny firenena tamin’ny namaboan’ny Babyloniana an’i Jerosalema . Tsaroana tamin’izany ny faharavan’ny manda, ny mosary , ny fandosiran’ny miaramila sy ny mpanjaka Zedekia noho ny nafitsoky ny Kaldeana , ny nisamborana ny mpanjaka sy ny nitondrana azy mbamin’ny vahoaka niakatra nankany Babylona , ny namonoana ny zanakalahn’i Zedekia teo imason-drainy , indrindra ny nandoroan’ny mpanompon’ny mpanjakan’ny Babylona ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano lehibe rehetra . Amin’izao kosa dia ampaherezin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminany ny vahoaka mba hananany fanantenana ny amin’ny ho avy , ka nilazany fa hody fifaliana izany rehetra izany . Tsy maintsy ho resy ny fahavalon’Andriamanitra. Takiana kosa ny hiainana amin’ny rariny sy ny fahamarinana.

2-Hitady an’i Jehovah izao tontolo izao (and20-23)

Rehefa tsapan’ny vahoaka ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra ka manana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra ny olony dia ho avy ny fotoana hitadiavan’ny firenena rehetra an’Andriamanitra . Ny fitoriana ny Filazantsara dia aseho amin’ny alalan’ny toetra hita maso , ka ny fahitana izany no hisarika ny olona hanatona an’Andriamanitra sy handraisany anjara fitahiana avy Aminy . Azo lazaina araka izany fa ny kristiana dia toy ny fantsona mampita ny Tenin’Andriamanitra sy ny fitahiany ho an’ny olona rehetra , raha miaina amin’ny sitrapon’Andriamanitra tokoa izy . Fa raha tsy izany dia ho sarotra ny hitaona ny hafa hanatona an’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Manana fanantenana ny amin’ny ho avy ve ny Fiangonana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM