Minoa ny fifaliana amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Desambra 2021

ISAIA 65.17-25

ISAIA 65.17-25
17 Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. 18 Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. 19 Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina. 20 Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona] 21 Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. 22 Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany. 23 Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy*.[Na: Mbamin'ny terany koa] 24 Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. 25 Ny amboadia* sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa]

Minoa ny fifaliana amin’ny Tompo

Maro amin’ny olona no tsy mahavita mitraka akory rehefa difotry ny fahoriana .Ity mofonaina anio ity dia mitaona antsika hanana fanantenana ao amin’ilay mahefa ny zavatra rehetra . Noho izany :

1-Minoa ny fifaliana ao amin’ilay mpahary ( and17,18)

Hoy ny Tompo : « Fa indro , Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao ,ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha na ho mby an-tsaiana akory aza » (and17). Na inona na inona endriky ny faharatsiana sy fampahoriana manjo ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy maintsy hisy farany , ary tsy maintsy ho foana sy ho rava tokoa izany . Ny olom-boafidin’Andriamanitra dia sady nohavaozina no miaina anaty tontolo vaovao nohariany . Ka izany no mahatonga azy hifaly mandrakariva ao amin’ny Tompo , na dia mandalo fahoriana sy fizahan-toetra aza. Fa hoy ny voasoratra : « Koa raha misy olona ao amin’i Kristy , dia olom-baovao izy efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao ireo (2 Kor 5.17)

2-Minoa ny fifaliana ao amin’Ilay mpanome fiadanana

Endriky ny fitahiana sy ny fiadanana fahazoana tombon’androm-pahavelomana (and20), ny fananana trano onenana (and 21a,22), ny fahafahana mamokatra sy mioty ny vokatra (and 21b),ny fahafahana misitraka valin-kasasarana sy ny vokatry ny ezaka natao (and22,23) ary ny fahazoana antoka fa tsy ho tratry ny loza tampoka na ny tena na ny taranaka any aoriana (and23).Tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy ny fampihavanana antsika amin’Andriamanitra .Rehefa tsara ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny olona dia mirindra ihany koa ny fifandraisany ami’ny olona rehetra sy amin’ny zava-boahary ary ireo firindrana orzo no antoky ny fifaliana sy fiadanana

Fanontaniana :

Olona manao ahoana no atao hoe : « sambatra  » sy « miadana » ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM