Miantso ny olona hifaly ny TompoI

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Desambra 2021

ZEFANIA 3.14-17

ZEFANIA 3.14-17
14 Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao. 16 Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. 17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana* amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. [*Heb. hangina]

Miantso ny olona hifaly ny TompoI

Ity Tenin’Andriamanitra nampitondraina an’i Zefania mpaminany ity dia mampiseho fa ao amin’Andriamanitra no misy fifaliana .

1-Mamonjy ny olona ho afaka amin’ny fahoriana izy

Niaina tanatin’ny tsy fahamarinana sy ny fahotana ny ankamaroan’ny mponin’i Joda .Tafiditra tao anatin’izany ny lehiben’ny mpitsara , ny mpaminany hatramin’ny mpisorona (Zef 3.3) . Ary izany no nahatonga ny fanamelohana sy ny famaizan’Andriamanitra azy . Nisy ihany anefa ireo olona vitsivitsy izay nitoetra ho mahatoky teo anatrehan’Andriamanitra , na dia niaina tamin’izany fahoriana izany aza. Ireo olona ireo no hifaly sy hiravoravo satria hitsahatra ny famaizana (and15) , ka averin’Andriamanitra ho azy ireo indray ny taniny sy ny hareny . Ny fahalovana misy eo amin’ny firenena sy ny fiaraha-monina dia sehatra hahafahantsika kristiana mijoro ho vavolombelon’ny fanafahan’Andriamanitra amin’ny alalan’ i Jesoa Kristy izay tonga ho mpanafaka antsika .

2-Mitoetra ao amintsika Izy (and17)

« Jehovah Andriamanitrao no ao aminao , mahery Izy ka hamonjy « (and17a) .Izany Tenin’Andriamanitra izany dia tsy ho an’ireo olony niaina tamin’ny andron’i Zefania ihany , fa natao ho antsika amin’izao andro ankehitriny izao, dia izay efa nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy .Toky ho antsika izany , satria raha Andriamanitra no momba antsika , iza no hahatohitra antsika ? izay tsy niaro ny zananilahy , fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy , tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ? (Rom 8.31-32). Eo am-pelatànany ny hery sy ny fahefana .Izy no manafaka antsika aamin’ny endrim-pahoriana rehetra .Izy no IMANOELA.

Fanontaniana :

Nahoana no toa avelan’ Andriamanitra hanjaka ny ratsy fanahy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM