Ny mpino mandray fifaliana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Desambra 2021

SALAMO 4.1-8

SALAMO 4.1-8
1 [Fivavaky ny azom-pahoriana, sy fanantenany an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako. 2 Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? 3 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy*; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.[Na: fa efa nomen'i Jehovah voninahitra ny olo-masiny] 4 Tezera*, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.[Na: Mangovita] 5 Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah. 6 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô. 7 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony. 8 Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.

Ny mpino mandray fifaliana

Nandalo fotoan-tsarotra ilay mpanao Salamo . Nitaraina , niantso fiainam- pitahiana tamin’Andriamanitra izy .

1-Mangataka famonjena avy amin’Andriamanitra

Manoloana ny toe-javatra sarotra atrehany , noho ny tsy fisian’ny fahamarinana dia miantso an’Andriamanitra hamaly azy ny mpanompony .Mino izy fa marina Andriamanitra . Koa rehefa mivavaka , mangataka famonjena Aminy izy dia hahazo valimbavaka tokoa . Mino izy fa fa haneho ny famindrampony aminy Andriamanitra ka ho afaka amin’ny fahoriana mamatotra azy izy . Hamonjy azy Andriamanitra ka hisolo fifaliana ny fahoriana . Hoy ny and 8 :  » Handry amin’ny fiadanana aho , ka dia hatory miaraka amin’izay , satria hianao Jehovah ô no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy  »

2-Miantso ny olona hiverina amin’Andriamanitra

Nandeha tamin’ny tsy fahamarinana ny fahavalony . Tsy mba toy izany ny fitondrany ny fiainany . Tia an’Andriamanitra izy ka nandeha tamin’ny fahamarinany . Matoky izy fa tsy mitovy ny fitondran’Andriamanitra ny olona marina sy ny tsy marina . Ao amin’Andriamanitra no misy ny fiainam-pahasoavana ho an’ny olona manao ny marina (and 7). Manoloana izany no hanaovany antso ho an’ny olona mba hiverina amin’Andriamanitra , manao ny marina ihany no afaka miaina sy mahita ny fifaliana . Ao amin’Andriamanitra irery ihany no ahitana ny fifaliana . Koa mitaona antsika hametraka ny fiainana Aminy .

Fanontaniana :

Inona no tokony hatao mba handraisana ny tena fifaliana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM