Ny fifalian’ny mpino

Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Desambra 2021

FILIPIANA 4.4-9

FILIPIANA 4.4-9
4 Mifalia* mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*. [* Na: veloma] 5 Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo. 6 Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. 7 Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy. 8 Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany. 9 Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.

Ny fifalian’ny mpino

Ny fifaliana no fotokevitra lehibe ampianarin’i Paoly Apostoly eto amin’ity Epistily ity .

1-Mifaly amin’ny fotoana rehetra

« Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo » . Izany no antso ataon’i Paoly Apostoly ho an’ny fiangonana tao Filipy . Mahaiza mifaly na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra atrehanao eo amin’ny fiainana . Voafonja noho ny Filazantsara izy , kanefa miaina fifaliana hatrany noho ny amin’ny Tompo . Mitaona ny mpino hifaly amin’ny fotoana rehetra izy. Rehefa miaina amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ny mpino eo am-piandrasana ny fiavian’nyTompo indray dia mahay mifaly hatrany na dia misy toe-javatra manahirana atrehana aza eo amin’ny fiainana sy ny fanompoana Azy .

2-Mifaly amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra

« Mifalia mandrakariva noho ianareo tafaray amin’ny Tompo  » (DIEM) . Ny olona tafaray amin’i Jesoa noho ny finoana dia asaina mifaly . Mifandray mandrakariva amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana ny Teniny ny mpino . Izay tafaray amin’Andriamanitra dia mandray ny fitahiana , fiarovana voaoman’Andriamanitra ho an’ny mpino azy . Izany no antony ifaliana mandrakariva . Miavaka tokoa ny olona mifandray amin’Andriamanitra : mahay mifaly na dia misy zava-manahirana aza . Minoa fa ilay Andriamanitra nametrahanao ny fiainanao dia miahy sy mikarakara anao mandrakariva .

Fanontaniana :

Afaka maneho ny fifaliana amin’ny fotoana rehetra ve ianao? Nahoana ? Ifampizarao amin’ny namanao izany .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM