Ny fifalian’ny olona miaraka amin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Desambra 2021
SALAMO 68.1-4
SALAMO 68.1-4
1 [Fankalazana an'Andriamanitra noho ny fitondrany ny Isiraely sy ny fandreseny ny fahavalony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany. 2 Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon'ny savoka eo anoloan'ny afo no aoka hahalevonan'ny ratsy fanahy eo anatrehan'Andriamanitra. 3 Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan'Andriamanitra izy ka faly tokoa. 4 Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.Ny fifalian’ny olona miaraka amin’Andriamanitra
Rehefa monina eo amin’ny olony Andriamanitra dia resy tosika ny fahavalo rehetra . Mifaly ny olona .
1-Miara-dia amin’ny olony Andriamanitra
« Aoka hitsangana Andriamanitra » . Izany no antso ataon’ny mpanompon’Andriamanitra .Toy ny olona mandeha làlan-tsarotra ka mangataka ny fanatrehan’Andriamanitra . Mangataka ny fitondran’Andriamanitra mba tsy ho irery manoloana ny toe-javatra tsy maintsy handehanana.Ny olona mino fa manatrika ny fiainany Andriamanitra , tsy mamela azy hiady irery dia mahay mifaly, mahatsapa ny fombàn’Andriamanitra , ka na dia maro aza ny zava-manahirana dia resy ny adi-tsaina , miova ho fifaliana ny fahoriana .Misy tokoa ny fifaliana ho antsika ao amin’Andriamanitra .Minoa fa miara-dia aminao Izy , manatanteraka ny teniny , dia ho tsapanao izany.
2-Mandositra ny fahavalo
Rehefa miseho sy miasa eo amin’ny fiainan’ny vahoakany Andriamanitra dia resy tosika ny fahavalo rehetra .Tsaroana eto ny zava-mitranga tamin’ny fotoana niaingan’ny Zanak’Israely niala tany an’efitr’i Sinay nitondra ny fiaran’ny fanekena (Nom 10) .Tsy manan-kery eo anoloan’ Andriamanitra ny fahavalo rehetra , mandositra , miely toy ny setroka , miempo toy ny savoka . Misitraka fiainam-pahasoavana kosa ny vahoakan’Andriamanitra , voavonjy tamin’ny tànan’ny fahavalo ka mifaly , midera mankalaza an’Andriamanitra .
Fanontaniana :
Mitondra inona ho anao ny teny fampanantenana nataon’iJesoa hoe : « indro Izaho momba anareo mandrakariva« ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM