Ny fifaliana azo avy amin’ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 07 Desambra 2021
NEHEMIA 8.9-18
NEHEMIA 8.9-18
9 Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin'ny lalàna. 10 Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo. 11 Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangina ianareo, fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo. 12 Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an'ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy. 13 Ary nony ampitson'iny dia vory teo amin'i Ezra mpanora-dalàna ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin'ny lalàna. 14 Dia hitany voasoratra teo amin'ny lalàna, izay nampandidian'i Jehovah an'i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo ny Zanak'Isiraely amin'ny andro firavoravoana amin'ny volana fahafito, 15 ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan'oliva sy sampan'oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra. 16 Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin'ny tampon-tranony avy sy teo anatin'ny tokotaniny avy sy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin'ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'i Efraima. 17 Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak'Isiraely hatramin'ny andron'i Josoa, zanak'i Nona, ka hatramin'izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra. 18 Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.Ny fifaliana azo avy amin’ny Tenin’Andriamanitra
Niaraka nihaino ny Tenin’Andriamanitra ny olona rehefa afaka nihaino .Nanohina ny fony ny Tenin’Andriamanitra .
1-Tenin’Andriamanitra miasa ao am-po
Tafapaka tao am-pon’ny vahoaka ny Tenin’ Andriamanitra novakiana . Nitomany ny olona ho mariky ny fiaiken-keloka noho ny nataon’ny razany . Nitaona ireo vahoaka mba hifaly noho izany ireto mpitarika azy , hifaly satria mbola maneho ny fitiavany azy ireo ndriamanitra . Ny fifaliana no fiarovana iatrehana ny fiainana ho avy , fifaliana ifampizarana amin’ny namana .Raha tena mandray ny Tenin’Andriamanitra ao am-po tokoa ny olona dia mandalo ihany alahelo , noho ny fahatsapana fa mpanota . Mifaly kosa rehefa izany , satria mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra mitondra fiainana .
2-Tenin’Andriamanitra ankatoavina
Ny famakiana ny Tenin’ Andriamanitra dia nahafahana namerenana ny vahoaka Jiosy ho amin’Andriamanitra , niaina sy nankato ny Teniny . Ny fahafantarana fa tokony hitoetra ao amin’ny trano rantsan-kazo ny Zanak’Israely (and14) mandritry ny andro firavoravoana dia nahatonga ny mpitarika hanentana ny vahoaka hanao izany . Nanatanteraka tokoa ny vahoaka , fanatanterahana izay nitondra sy nampitombo ny fifalian’ny olona (and18). Ny tena loharanom-pifaliana ho an’ny mpino dia ny fiainana , ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra . Taomina ianao mba hanao ho zava-dehibe ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana dia hiavaka ny fifaliana ho azonao .
Fanontaniana :
Lazao ireo toromarika mba handraisana ny fifaliana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM