Mba hahafahana miaina amin’ny fifaliana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Desambra 2021

2 KORINTIANA 13.11-14

2 KORINTIANA 13.11-14
11 Farany, ry rahalahy, mifalia*, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.[*Na: veloma] 12 Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. 13 Ny olona masina rehetra manao veloma anareo. 14 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.

Mba hahafahana miaina amin’ny fifaliana

1-Iaino ny fifankatiavana kristiana

Toe-panahy mampiavaka ny kristiana ny fifankatiavana , na iza izy na iza na aiza na aiza toerana misy azy . Tsy mahafoana ny fifankatiavana sy ny fifandraisana ny toerana . Mariky ny fifankatiavana dia mampita ny fanaovam-beloma ho an’ny kristiana tao Korinto izy (and 12,13) . Mifamatotra amin’izany ny fitaomany ny mpino mba hifaly : »mifalia«  . Mifaly miaraka amin’ny toe-panahy mampiavaka ny kristiana ny fitiavana , ny fifankatiavana ka mifampahery , mifandray tsara , miaina amin’ny fihavanana (and11) . Rehefa miaina amin’ny fifankatiavana tokoa isika mpino kristiana dia tanteraka eo amin’ny fiainantsika ny fifaliana avy amin’i Jesoa Kristy .

2-Iaino ny tsodrano avy amin’Andriamanitra

Mampiavaka an’i Paoly Apostoly ny fanolorana fitahiana , tsodrano ho an’ny fiangonana rehefa mamarana ny taratasy nosoratany izy . Tsodrano fametrahana ilay fiangonana eo ambany fahasoavan’Andriamanitra . Fanehoana ihany koa fa tsy irery ny fiangonana fa eo amin’ny fiainany mandrakariva Andriamanitra . Ny fiangonana mandray marina sy miaina izany tsodrano izany dia hahatsapa ny fombàn’Andriamanitra ny fiainany mandrakariva . Noho izany , na manao ahoana na manao ahoana ny zava-misy miseho eo amin’ny fiainana andavanandro dia matokia ny asan’Andriamanitra ka mifalia noho izany . Resin’ny fifaliana ny zava-manahirana .

Fanontaniana :

Midika inona ho anao ny hoe : « Raiso amin’ny finoana ny Tsodrano atolotra anareo amin’ny Anaran’ny Tompo  » ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM