Raha tena ampiharina eo amin’ny fiainana andavanandro ny fahatokiana Azy, sarotra sa mora ?

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Novambra 2021

Jeremia 17. 5 - 8

Jeremia 17. 5 - 8
5 [Ny amin'ny fahatokiana olona sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, ary ny vavaka nataon'i Jeremia nangatahany famonjena] Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony. 6 Fa ho tahaka ny olona mahantra any* an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin'ny tany sira izay tsy onenana.[Na: ny anjavidy] 7 Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny. 8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.

Ny Tenin’Andriamanitra no milaza fa :

1- Mahantra ny olona matoky olona (and 5 – 6 )

Fantatsika tsara fa tsy maintsy ho tanteraka ny Tenin’Andriamanitra. Ny vahoakany tamin’ity vanim-potoana ity dia mitoky amin’ny herin’ny firenen-dehibe namany izay heveriny fa afaka miaro sy mamonjy azy amin’ny fotoan-tsarotra. Toy izany koa isika rehefa mitoky amin’olombelona izay jerena toa matanjaka, fa mahantra isika. Toy ny anjavidy any an-tany hay, velona ihany saingy velon-dratsy . Aoka tsy hohadinoina fa misy Soratra Masina manao hoe  » Ho voaozona izay olona matoky olona, sy manao ny nofo ho sandriny » (Jer 17. 5)

2- Manan-karem-pitahina ny olona izay mitoky Aminy (and 7 – 8 )

Mazava ho azy fa manan-karena amin’ny fitahiana samihafa karazana izay mitoky amin’i Jehovah, satria Izy no nanao izao tontolo izao . Azy izao rehetra izao dia omeny izay manaiky Azy. Toy ny hazo ambolena amoron-drano izay tsy mba halazo. tsy mba ho maina mandrakizay satria Izy no loharanom-pitahiana, azo antoka tsy misy ahiahy mihitsy. Mandrakizay izany fa tsy misy fetra. Tafatoetra tsara ary ny fo matoky Azy. Hoy ny Jeremia 17. 7 : »Hotahiana ny olona izay matoky an’i Jehovah »

Fanontaniana :

Raha tena ampiharina eo amin’ny fiainana andavanandro ny fahatokiana Azy, sarotra sa mora ? Saino tsara !

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM