Inona no mampiahotra ny olona tsy hino marina an’i Jesoa?

Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Oktobra 2021

Apokalipsy 5. 6 - 10

Apokalipsy 5. 6 - 10
6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona* dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra. [* Gr. presbytera] 7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. 8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona* efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany. [* Gr. presbytera] 9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao* ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; 10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy.

Inona no mampiahotra ny olona tsy hino marina an’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM