Ny fanompoana an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Oktobra 2021

JOSOA 24.23-28

JOSOA 24.23-28
23 Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo. 24 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay 25 Ary dia nanao fanekena tamin'ny vahoaka Josoa tamin'izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema. 26 Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo. ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo anilan'ny fitoera-masin'i Jehovah. 27 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo ianareo. 28 Dia nampodin'i Josoa ny vahoaka samy ho any amin'ny lovany avy.

Ny fanompoana an’Andriamanitra

1-Safidy

« …Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay » (and24)

Rehefa nambaran’i Josoa tamin’ny Zanak’Israely fa raha hanompo an’i Jehovah izy ireo ,dia tsy maintsy manary ny sampy ,dia nanamafy ny fahavononany hanompo an’i Jehovah izy ireo .Nisafidy ny hanompo sy hihaino ny feon’i Jehovah ny vahoaka. Safidy ho an’ny olona tsirairay ny hanompo, an’i Jehovah na tsia .Amin’ny fotoana izay isafidianana hanompo an’i Jehovah dia tsy maintsy manary ny sampy .Ho anao izay misafidy hanompo an’i Jehovah , dia arionareo ankehitriny ary ny andriamanin-kafa izay eo aminareo .Manompoa an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ary aza manana andriamanin-kafa intsony .

2-Fihazonana ny fanekena (and 27)

Rehefa nanaiky hanompo an’i Jehovah ny Zanak’Israely dia ny vato no nambaran’i Josoa ho vavolombelona fa efa nandre ny tenin’i Jehovah izy ireo . Sady vavolombelona amin’ny tenany ny vahoaka no vavolombelona eo anatrehan’ny zava-boahary fa efa nanaiky hanompo an’i Jehovah . Mitàna ny fanekena nataony ny olona misafidy hanompo an’i Jehovah ,tsy miala amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra , ary raha sanatria miala amin’ny fanompoana an’i Jehovah izany olona izany dia ny vato no hiampanga azy amin’Andriamanitra . Efa nanao fanekena vaovao tamintsika Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ka manompoa Azy hatramin’ny farany .

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny olona hiala amin’ny fanekeny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM