Ny olona nandray ny famonjen’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 04 Oktobra 2021
SALAMO 116.12-19
SALAMO 116.12-19
12 Inona no havaliko an'i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko? 13 Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah. 14 Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra. 15 Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina. 16 Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao. 17 Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko. 18 Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra, 19 Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.Ny olona nandray ny famonjen’Andriamanitra
1-Misaotra an’Andriamanitra
« handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny Anaran’i Jehovah » (and13)
Ny fandraisana ny kapoaky ny famonjena dia midika ho fanaovana fanatitra divay sy hira fisaorana izay tsy misaraka amin’ny fanaovana fanatitra zava-mananaina . Izany dia natao tao amin’ny Tempoly ho fanakalazana sy fisaorana an’Andriamanitra noho ny fanafahany ny olony tamin’ny olana samihafa sy ny fahafatesana . Ka ny olona mahatsiaro ny famonjen’Andriamanitra azy no manao fanatitra ho Azy , ary ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fanolorantena . Koa atolory ny Tompo ny tenanao ho fisaorana sy fankalazana Azy tamin’ny namonjeny antsika , tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy , izay maty teo amin’ny hazo fijaliana ..
2-Mijoro ho vavolombelona
« …eny eo anatrehan’ny olony rehetra dia eo an-kianjan’ny tranon’i Jehovah » (and18,19).Tsy hain’ny mpanao salamo ny fomba entina mamaly ny famonjena azony tamin’Andriamanitra . Hany sisa nataony , niantso ny mpiara-belona , ny ray aman-dreny , ny namana ho eo an-kianjan’ny Tempoly hanambarana? fa Jehovah no mpanafaka. Izany no natao dia ny mba hahazoan’ny hafa ihany koa manatona an’i Jehovah ka hisitraka ny fanafahany . Ambarao ny famonjen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy . Taomy ny hafa handray ny famonjena fa sarobidy loatra izany satria tsy amin’izao fiainana izao ihany fa mitohy hatrany amin’ny fiainana mandrakizay .
Fanontaniana:
Inona no ataonao rehefa avy nandray ny famonjen’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM