Ny fanafahan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Oktobra 2021
EKSODOSY 12.21-29
EKSODOSY 12.21-29
21 Dia nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska. 22 Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny rà izay ao anatin'ny bakoly ary ny rà izay ao anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran'ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain'ny andro. 23 Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana. 24 Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an'ny taranakareo mandrakizay. 25 Ary rehefa tonga any amin'ny tany izay homen'i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany. 26 Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo izao? 27 dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka. 28 Ary dia nandeha ny Zanak'Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony. 29 Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.Ny fanafahan’Andriamanitra
1-Mitaky fankatoavana ny teniny
« raha mahita ny rà eo amin’ny tolam-baravarana sy ny tolana roa jehovah tsy …hamely anareo ny mpandringana« (and23)
Nampitain’i Mosesy tamin’ny loholona ny baiko ho fitandremana ny Paska , ny famonoana ny ondry isaky ny fokom-pirenena, ny fakana hysopa atsoboka amin’ny rà ao anaty bakoly , ny fanosorana rà ny tataom-baravarana sy tolana roa, ny tsy fahazoana mivoaka mandra-pahamarainan’ny andro . Ny fankatoavana ireo baiko ireo ara-bakiteny no antoka hahavoaro amin’ny fahafatesana. Izay rehetra mitandrina ny Tenin’Andriamanitra no afaka amin’ny fandringanana. Toy izany koa , izay mankato ny Tenin’I Jesoa Kristy no ho afaka amin’ny fahatezerana.
2-Ampitaina amin’ny taranaka
« dia holazainareo hoe: …namely ny Egyptiana Izy , fa namonjy ny tao an-tranontsika » (and27)
Rehefa tonga any amin’ny tany Kanana , dia nasaina manohy ny fitandremana ny Paska ny Zanak’Israely ho fahatsiarovana ny fanafahan’i Jehovah. Andevo tany Egypta ny Zanak’Israely kanefa nafahan’i Jehovah ary ampitaina amin’ny taranaka izany. Ny olona mahatsiaro ny fanafahan’ Andriamanitra azy tamin’ny lasa , ka efa miaina ny famonjena no mampita izany amin’ny taranany . Ampitao amin’ ny taranakao ny famonjena nataon’Andriamanitra taminao,tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy , Ilay nandatsaka ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana ho famonjena izay rehetra mino .
Fanontaniana :
Ahoana ny fomba iainanao ny famonjen’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM