Jesoa Kristy lahimatoa
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Oktobra 2021
KOLOSIANA 1.15-20
KOLOSIANA 1.15-20
15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; 16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy et? ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana*, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; [* Gr. seza fiandrianana] 17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. 18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana*; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [* Gr. eklesia] 19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra, 20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny et? ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.Jesoa Kristy lahimatoa
« Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita , ny lahimatoa talohan’izao zavatra àry rehetra izao « (and15).
Ambara eto fa iJesoa Kristy no endrik’Andriamanitra Ray tsy hita maso no aseho amin’ny fahafenoany ao amin’i Jesoa Kristy. Koa ny filazana fa I Jesoa Kristy no lahimatoa amin’ny zava-boahary rehetra dia midika fa Izy no misitraka ny zon’ny lahimatoa .Sady maneho ny maha-Izy Azy an’Andriamanitra i Jesoa , nefa koa ,Izy ilay talohan’ny zava-boahary rehetra. Noho izany , ny zo sy ny voninahitry ny zava-boahary rehetra dia ao amin’i Jesoa Kristy avokoa . Ka izay rehetra te-hisitraka ny zo sy voninahitra amin’ny maha- zanak’Andriamanitra azy dia tsy maintsy mino an’i Jesoa satria Izy no Mpahary.
2-Loharanom-pahavelomana
« Ary …Izy no voalohany , dia ny lahimatoa tamin’ny maty, mba ho lohany amin’ny zavatra rehetra Izy » (and18)
Tamin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty no mahatonga an’i Jesoa Kristy ho « lahimatoa tamin’ny maty », tahaka ny maha-santatr’izay efa nodimandry » Azy (1Kor15.20). Jesoa Kristy no lohany amin’ny fitsanganana amin’ny maty . Ary ny fitsanganany tamin’ny maty dia fandresena ny ota sy ny fahafatesana. Noho izany , izay rehetra manantena ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty dia mila mino an’i Jesoa Kristy , ilay nanafoana ny herin’ny ota sy ny fahafatesana . Ary koa , ao Aminy no itadiavana fiainana sy famonjena satria efa nanaiky Azy izao rehetra izao.
Fanontaniana :
Amin’ny fomba ahoana no hanehoanao ny finoana an’i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM