Ny fanarahan-dia an’i Kristy

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Septambra 2021

LIOKA 12.49-53

LIOKA 12.49-53
49 Tonga hanipy afo et? ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady*?[*Na: ary inona intsony no iriko, raha mirehitra sahady izany?] 50 Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany! 51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin'ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana. 52 Fa hatramin'izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo. 53 Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.

Ny fanarahan-dia an’i Kristy

1-Ahitana fiovana goavana

Raha nampianatra i Jesoa dia matetika amin’ny alalan’ny fanoharana .Eto dia fanoharana ny amin’ny mpanompo sy ny tompony ary ny hitsarana azy amin’ny asany . »Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho« , hoy Izy . Izany hoe : mitondra fiovana goavana eo amin’ny fiainana ambonin’ny tany Izy. Miala tanteraka ao amin’ny fahazarana ny olona ary dia tena mitondra fisarahana amin’ny olona izay tena akaikin’ny fo mihitsy aza . Mba hanamarihana izany dia mampiasa ireto teny ireto ny mpanoratra : ray , zananlahy,reny ,zananivavy,rafozany, vinantony . Maneho ireo fa tena sarotra ny fanarahan-dia an’i Kristy. Hamafisin’i Jesoa mazava fa » »tsia, hoy izaho aminareo fa fampisarahana ». Hisy fanenjehana eo amin’ny samy olona, samy mpianakavy . Izay mitazona ny fomba taloha kosa no manenjika ny olona izay manara-dia an’i Kristy . Izany no tsy maintsy ho fiainan’ny olona milaza ny tenany ho kristiana . Mitaky fandinihana ny fiainana lalina izany , ary tokony tsy hahataitra ny kristiana intsony raha misy ny toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana andavanandro.

2-Mitaky faharetana

Manoloana ireo fiovam-piainana ireo dia eo no ahitan’Andriamanitra ny tena mpanara-dia sy mijoro amin’ny finoany .Raha niresaka ny amin’ny tokantrano iray i Jesoa dia hoy Izy ; »fa hatramin’izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray , ny telo hanohitra ny roa , ary ny roa hanohitra ny telo« (and52). Fifanoherana : iray mihevitra araka ny sitrapon’Andriamanitra , ary ny iray kosa dia mifanohitra amin’izany . Eo indrindra no ilàna faharetana mba ho antoky ny fandresena ao amin’i Kristy . Raha tsy maharitra mantsy dia miverina ao anatin’ny fahamaizinana . Hoy ny Soratra Masina : » fa aoka isika hifaly ao amin’ny fahoriana aza…ary ny fahatsaram-panahy voazaha-toetra mahatonga fanantenana » Rom 5.3,4. Jesoa Kristy no mahatonga fandresena ho an’ny mpino raha mitoetra tsara amin’ny faharetana.

Fanontaniana :

Fantatra fa sarotra ny faarahan-dia an’i Kristy . Moa ve isan’ny olona izay manana faharetana ianao sa isan’ny mpitsoaka an-daharana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM