Ny olona manatona an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Septambra 2021

ASAN'NY APOSTOLY 8.34-40

ASAN'NY APOSTOLY 8.34-40
34 Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? 35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy. 36 Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? 37 * [* Ampio hoe: 37 Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra] 38 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy. 39 Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly. 40 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.

Ny olona manatona an’Andriamanitra

1-Mangetaheta ny teniny

Lehilahy ionoka Etiopiana no niresahan’iFilipo teto , tonga nivavaka tao Jerosalema . Rehefa nilazan’ny Fanahy i Filipo dia nihazakazaka hanatona ilay Etiopiana tao anaty kalesiny . Liana tamin’ny Tenin’Andriamanitra tokoa ka nanana hetaheta mba hahazo izany . Izay no antony nahatonga azy nanontany hoe: « Masina ianao, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany ? Ny tenany va sa olon-kafa ? » (and 34) . Tena nanana fahasahiana tokoa izy nanontany izany tamin’i Filipo . Endrika iray izay hamantarana tokoa fa te-hanatona an’Andriamanitra ny olona iray raha toa ka mangetaheta ny Teniny . Ny fanantonana an’Andriamanitra mantsy dia tsy mora , fa mila dingana satria ao Aminy no misy ny tena fiainana sy fahasambarana ary fitoniana.

2-Manolo-tena ho Azy

Rehefa avy nandre ity ionoka Etiopiana ity dia resy lahatra tanteraka , ka hoy izy : » Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa ? » Mariky ny fanolorantena ho an’Andriamanitra feno ny fandrosoana , ary ny batisa dia fanorenam-piainam-baovao ao amin’i Kristy . Zava-masina ny batisa ka izay no maha-Sakramenta azy eo amin’ny fiainana kristiana. Fanekena ny hitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra ny batisa mba tsy hiverenana amin’ny fahalotoan’ny nofo. Manana ny Fanahy Masina ny olona izay niroso tamin’ny batisa . Ilay Mpampianatra tsara , Mpananatra sy Mpanolo-tsaina no mitari-dàlana ny mpino mba hanao ny zava-drehetra ho araka ny sitrapon’Izy Andriamanitra .

Fanontaniana :

Vonona ve ianao hanatona an’Andriamanitra ka ho liana mandrakariva ny amin’ny teniny sy amin’ny fanavaozanao ny fanolorantenanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM