Ny Mampiavaka ny fanompoan’ny Apostoly

Mofonaina anio: Talata, faha 07 Septambra 2021

ASAN'NY APOSTOLY 2.37-39

ASAN'NY APOSTOLY 2.37-39
37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? 38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; 39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.

Ny Mampiavaka ny fanompoan’ny Apostoly

1-Ny toriteniny manasongadina an’i Jesoa Kristy

Tsy mitsitsy fitenenana ny Apostoly raha nanambara fa ireo olona mifanatrika aminy ireo mihitsy ilay nanombo an’i Jesoa tamin’ny hazo fijaliana . Nahatsiaro tena ireo mpihaino ka voatsindtona tampony (and37).

2-Ny toriteniny mitaona olona hibebaka

Rehefa nanontany tena ny olona : »ry rahalahy , inona no hataonay ? » Dia mazava ny valiteny nomena azy ireo : « mibebaha » . Notaomin’i Petera ny olona hiova famindra, hiala amin’ny ratsy fanaony, ho tonga olom-baovao.

3-Ny fanentanana ny olona handray sakramenta

« Aoka hatao batisa amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra« . Iray amin’ireo sakramenta tokony horaisin’ny vahoakan’Andriamanitra ny batisa. Manana adidy hanentana ny olona hiroso amin’izany isika mpitory.

4-Fitarihana ny olona handray famelan-keloka

« …mba hahazo famelana ny helokareo »(and38) . Ankoatry ny ny fifantohana amin’ny toriteny, ny fibebahana dia sitraky ny apostolyny hisitrahan’ny olona famelankeloka avy amin’ny Tompo .

5-Fampianarana momba ny Fanahy Masina

Mandini-tena noho ny fihainoana toriteny , mibebaka, mandray famelankeloka, misitraka ny Fanahy Masina .Izany no fanompoana hitarihan’ny Apostoly ny olona .

6-Fanehoana ny fitiavan’nyTompo ho an’ny rehetra

Ho an’ny rehetra ny teny fikasana . Tsy manavaka na iza na iza ny Tompo . Miantso ny rehetra hanatona Azy (and39)

Fanontaniana :

Inona avy no mampiavaka ny fanompoan’nyApostoly ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM