Ny batisa dia

Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Septambra 2021

Amin'ny FJKM dia tsy ny habetsaky ny rano no zava-dehibe fa ny fisiany . Aina ny rano, mamelombelona ny rano nefa koa mety mamono ny rano . Amin'ny batisa dia hita taratra ihany koa ireo vokatra roa sosona entin'ny rano :

Ezekiela 36,1 - 25
1 [Ny hitahian'i Jehovah ny tanin'ny Isiraely] Ary ianao, ry zanak'olona, maminania amin'ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin'i Jehovah: 2 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'ny fahavalo anareo hoe: Hià! efa lasanay ny havoana fahagola! 3 Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin'ny tany manodidina, ka dia efa lasan'ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon'ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin'ny firenena, 4 Dia mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin'ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an'ny firenena sisa amin'ny manodidina, 5 Eny, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny afon'ny fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin'ny hafalian'ny fony tokoa sy tamin'ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo. 6 Koa maminania ny amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro, tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin'ny firenena, 7 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra. 8 Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an'ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian'ireny. 9 Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo; 10 Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava; 11 Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 12 Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo* izy ka hahalasa anareo* ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo**.[*Heb. anao][**Heb. ianao] 13 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny firenenao, 14 Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo. 15 Ary hataoko tsy mahare ny latsan'ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo. 16 [Ny fifampiankinan'ny famonjena ny Isiraely sy ny fahamasinany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 17 Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely nonina tany amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny fanaony* sy tamin'ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony* eo anatrehako.[Heb. lalany] 18 Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin'ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin'ny sampiny. 19 Ary naeliko ho any amin'ny firenena izy ka nahahaka ho any amin'ny tany samy hafa; araka ny fanaony* sy ny asany no nitsarako azy.[Heb. lalany] 20 Ary nony tonga tany amin'ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe: Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny tanin'i Jehovah izy. 21 Dia namindrako fo ny anarako masina, izay nolotoin'ny taranak'Isiraely tany amin'ny firenena izay nalehany. 22 Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo. 23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo. 24 Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo. 25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.

Amin’ny FJKM dia tsy ny habetsaky ny rano no zava-dehibe fa ny fisiany . Aina ny rano, mamelombelona ny rano nefa koa mety mamono ny rano . Amin’ny batisa dia hita taratra ihany koa ireo vokatra roa sosona entin’ny rano :

Ny batisa dia

1-Manadio ny loton’ny fahotana

Ny olona atao batisa dia ambaran’ny Soratra Masina hoe: « fa niara-nalevina taminy ianareo tamin’ny batisa …« (and12) .Izany dia maneho fandevenana ny asan’ny nofo izay mamatotra sy mahaloto ny olona . Mazava izay voasoratra ao amin’ny Ezekiela hoe: « dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio , ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra... » (Eze 36.25) . Ny Ra soan’i Kristy no antoka hisitrahantsika izany . Io rano amin’ny batisa io ary dia taratry ny fahefan’i Kristy izay afaka manadio ny fahotantsika .

2-Maneho fiainana vaovao miaraka amin’i Kristy

« …izay niarahanareo natsangana taminy koa... »(and12b). rehefa nanadio ny mpino tamin’ny loton’ny fahotana ny rano amin’ny batisa dia mitondra aina vao indray ka mamelombelona ny mpino. Tonga olom-baovao, mpianakavin’ny finoana, mpiara-mandova amin’i Kristy satria zanak’Andriamanitra . Misitraka ny fandresen’i Jesoa Kristy. Mandeha amin’ny fahamasinana.

Fanontaniana :

Inona no zava-dehibe amin’ny fanaovana batisa , ny fisian’ny rano sa ny habetsaky ny rano ?

Sampana Sekoly ahady FOIBE FJKM