Rehefa miseho eo anatrehan’ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 24 Aogositra 2021

MIKA 6.6-8

MIKA 6.6-8
6 Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho? 7 Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko? 8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena

Rehefa miseho eo anatrehan’ny Tompo

Misy voambolana ampiasaina eto hoe : manatona an’i Jehovah sy miondrika eo anatrehany .Tsy mahazatra ny kristiana izany voambolana izany , kanefa ny fanaony no voambara amin’izany : mandeha miangona mba hivavaka amin’Andriamanitra .Misy fanontaniana eto hoe : inona no entina rehefa mivavaka ?Ny zavatra azo antoka aloha dia tsy tànam-polo mihitsy fa mila mitondra zavatra hanomezam-boninahitra Azy.

1-Halaviro ny vavaka amin’ny endrika ivelany

Misy fiheveran’ny olona tamin’izany fa ny fanatanterahana ny tenin’ny lalàna dia ny fanaovana fanatitra betsaka izay vita (hIta eto ,ny fanatitra ombilahy iray taona , ondrilahy aroarivo, renirano diloilo iray alina , fahafoizana ny lahimatoa ).Na izany aza anefa dia fombam-bavaka amin’ny endriny ivelany ihany izany satria tena azo antoka ve fa mibebaka miaraka amin’izany tokoa ny fo sy ny saina ? Inona no mahatonga ny Tompo hiteny hoe : aza mitondra fanati-poana intsony . Fofona fahavetavetana amiko izany ? Isa 1.11-13

3-Fantaro izay tena ilain’ny Tompo

-Manao ny marina amin’ny sehatra rehetra izay misy ny tena.

-Ho tia famindrampo manoloana ny olona izay mila izany .

-Hanaraka an’Andriamanitra amin’ny fanetrentena .Ny hoe : « manetry tena » dia manafoana ny tena ka amin’izany dia Andriamanitra no asandratra , kanefa koa tokony hotsarovana hatrany fa tsy foana tsy akory ny fikelezana aina ao amin’ny Tompo.

Fanontaniana :

Inona no ilain’nyTompo amin’ny olona mivavaka Aminy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM