Ahoana no ataon’ny olona mibebaka marina amin’Andriamanitra ?

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Aogositra 2021

LIOKA 3.7-14

LIOKA 3.7-14
7 Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? 8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 9 Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo. 10 Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay? 11 Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy. 12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay? 13 Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo. 14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.

Ahoana no ataon’ny olona mibebaka marina amin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM