Mpiandry ondry manao ahoana no tadiavin’ny Tompo?

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Aogositra 2021

I Petera 5 : 1 - 4

1 Petera 5,1 - 4
1 [Fananarana ny loholona mba ho malemy fanahy sy ho mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra mba hanetry tena sy hitandrina. Vavaka farany sy fanaovam-beloma] Koa ny amin'ny loholona* izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona* sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: [* Gr. presbytera] 2 Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo*, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy; *[ Na: izay andraikitrareo] 3 tsy ho mpanjakazaka, amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry. 4 Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,

Misy iraka ampanaovina ny loholona izay hiantefan’ny teny eto: « andraso ny ondrin’Andriamanitra ». Raha ny fahazaran’ny Fiangonana dia ny mpiandry no ampiasana izany amin’ny fanokanana. Kanefa, satria ny loholona no hiantefan’ny hafatra, izany hoe ireo olona manana fahendrena sy traikefa azony tamin’ny fiainany ara-panahy dia heverina fa ny kristiana rehetra no resahina ao amin’izany. Tokony hotsarovana anefa fa: an Andriamanitra ny ondry. Tsara ho fantatry ny mpiandry aloha fa misy tompony ireo ondry ireo, koa tsy maintsy mahafantatra ny sitrapony sy ny fiheviny. amin’izany fiandrasana ny ondriny izany ny mpiandry rehetra. (Sal. 23, Jao. 10). Koa :

1- Takiana ny miitandrina azy amin’ny sitrapo.

Raha ny marina dia tsy misy noterena ny fanarahan-dia ny Tompo sy ny fivavahana taminy. I Petera rehefa nadihadian’ny Tompo ny amin’ny fitiavany Azy dia nafarany hoe andraso ny ondriko (Jao 21: 15-17). Tsy misy an-tery mihitsy izany ny fanekena hiandry ny ondrin’ny Tompo fa vokatry ny fitiavana ny Tomp izany hoe tokony hatao an-tsitrapo.

2- Tsy amin’ny fitiavan-karena maloto

Ankehitriny, amin’ny zavatra ataon’ny olona rehetra mihitsy dia kajikajy hahazoana tombon-tsoa avikoa izao himatimatesana izany hoe izay zavatra hahasoa azy sy hahazoana vola ho am-paosy no tena hidirana. Eto izany dia ny mitsetsitra ny ondry amin’ny fomba rehetra, saingy efa raràna sahady izany eto.

3- Ho fianarana ho an’ny ondry

Takiana hitady izay mahatsara ny ondry amin’ny lafiny rehetra ny mpiandry fa tsy manao teniko fe lehibe fotsiny.

Fanontaniana: Mpiandry ondry manao ahoana no tadiavin’ny Tompo?