Misedra zava-tsarotra ve ny mpitory ny Filazantsara ary inona no tokony hataony eo anatrehan’ izany ?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Septambra 2021
ASAN'NY APOSTOLY 18.5-8
ASAN'NY APOSTOLY 18.5-8
5 Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. 6 Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho. 7 Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga. 8 Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.Misedra zava-tsarotra ve ny mpitory ny Filazantsara ary inona no tokony hataony eo anatrehan’ izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM