Kristiana miorina amin’ny asa tsara
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Aogositra 2021
2 KORINTIANA 9.6-15
2 KORINTIANA 9.6-15
6 Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. 7 Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra (Oha. 22. 8, LXX.). 8 Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra; 9 araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay (Sal. 112. 9). 10 Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, 11 dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po*,izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.[*Na: fahafoizana] 12 Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa, 13 satria ny fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany an'Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona rehetra; 14 ary amin'ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben'ny fahasoavan'Andriamanitra aminareo. 15 Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.Kristiana miorina amin’ny asa tsara
Rehefa avy niresaka ny amin’ny fandaminana amin’ny fanangonam-bola i Paoly , dia niresaka manokana momba ny fanomezana. Isika kristiana no tokony ho modely amin’izany ka izay miorina amin’ny asa tsara dia :
1-Afaka manome araka izay ananany
Voalaza ombieny fa mahasambatra ny manome noho ny mandray . Anjaran’ny tsirairay ny manome araka izay ananany . Tsy azo atao ny manery olona na ny Fiangonana ny amin’ny fanomezana ho an’Andriamanitra , na dia mety fanaon’ny sasany aza amin’izao fotoana izao , afaka manome araka izay ananana. Tsy amin’alahelo fa amin’ny fitiavana , satria ny mpanome amin’ny fifaliana no sitrak’Andriamanitra . Tsarovy fa hain’Andriamanitra ny manome izay rehetra ilian’ny olona iray mba hiatrehany ny toe-javatra rehetra . Koa ianao, isika Fiangonana koa dia tokony hahay hanome araka izay ananana ho an’ny Tompo . fanomezana vokatry ny fo , fa tsy terena.
2-Hampitomboin’Andriamanitra izay ananany
Ho an’izay manome an-tsitrapo ho an’ny hafa , nanatanteraka ny adidiny izay notakiana taminy dia hampitomboin’Andriamanitra izay ananany . Arakaraka ny hanomezana no hitomboan’izay anananao . Noho ny asa fiantrana ny mahantra , ny vavaka ary ny fifadiankanina dia hampitomboin’Andriamanitra izay anananao. Ny fikarakarana ny rahalahy sy ny anabavy ao aminn’y Fiangonana no tanjon’ny Fiangonana amin’ny fiorenana amin’ny asa marina. tsy fireharehana anefa izany fa asa asain’Andriamanitra ataon’ny mpino toa antsika . Raha izay no nataon’ny kristiana tany Korinto , ianao koa mba manaova toy izany .
Fanontaniana :
Manaiky ve ny sainao fa avy amin’Andriamanitra avokoa izay rehetra tantananao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM