Izay miorina amin’ny asa tsara

Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Aogositra 2021

LIOKA 18.18-30

LIOKA 18.18-30
18 Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 19 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra. 20 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-16). 21 Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely. 22 Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy. 23 Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy. 24 Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25 Fa ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 26 Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena? 27 Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra. 28 Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao. 29 Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra, 30 izay tsy handray be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.

Izay miorina amin’ny asa tsara

Ity mpanapaka mpanan-karena ity dia naniry fatratra tokoa ny handova ny fiainana mandrakizay fa i Jesoa kosa dia nampianatra azy fa raha te-hahazo fiainana mandrakizay dia:

1-Mahafoy ny zavatra rehetra

Hita ao amin’ny Filazantsara Synoptika ny tantaran’ny mpanakarena ity (Mar 10.17-31/Mat 19.16-30).Izay te-hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia mila mahafoy ny zavatra rehetra . Ambaran’i Lioka eto izany , ary tsindriany manokana ny hoe: « rehetra » , izay hita eo amin’ny valitenin’i Jesoa : « amidio ny fanananareo rehetra » , azo adika hoe: ny « zavatra rehetra » . Andriamanitra dia mizara ny zavatra rehetra ho antsika tsy ankanavaka. Ny kristiana miorina amin’ny asa tsara dia mahafoy ho an’ny hafa, fa ity mpanakarena ity dia tsy vonona hizara izay nananany mihitsy . Ho antsika izay efa miorina tsara ao amin’ny Tompo . Tsarovy fa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray (Asa 20.35)

2-Vonona hanara-dia an’i Jesoa

Hoy i Jesoa : « ary avia hanaraka Ahy » . Ny fanarahan-dia an’i jesoa dia safidy mipetraka eo anoloan’ny tsirairay . Ny mpianany dia efa nahafoy izay azy ka nanaraka an’i Jesoa . Ity lehilahy mpanakarena ity raha nitafa tamin’i Jesoa dia làlana hizorana ho any amin’ny fiainana mandrakizay . Ianao koa ankehitriny manapaha hevitra ka hiloa-bava hoe : « Tiako ny miaraka Aminao Jesoa na aiza na aiza no hitondranao ahy . Ary tsarovy fa voasoratra hoe : « tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako » (Jao 14.6)

Fanontaniana:

Mino ve ianao fa mankany amin’ny Ray izao dianao izao ? Hazavao .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM