Ilay Tsara
Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Aogositra 2021
Matio 19. 16 - 26
Matio 19. 16 - 26
16 Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô*, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?[*Na: (Mpampianatra tsara ô)] 17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] 18 Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, 19 Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). 20 Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy? 21 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. 22 Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be. 23 Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra. 24 Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 25 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena? 26 Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.Ilay Tsara
Ny Filazantsara araka ny Matio no manambara ny momba ity tovolahy mpanan-karena ity, izay nanontany an’i Jesoa ny tokony hataony hahazoany ny fiainana mandrakizay. Iza tokoa moa ilay tsara ?
1- Jesoa Kristy Ilay Mpampianatra tsara
Ny Filazantsara araka ny Matio dia miantso an’i Jesoa hoe « Tsara« . Anarana niantsoana Azy ho mariky ny fanajana atolotra an’i Jesoa, izay mby tao an-tsain’ity tovolahy ity izany. Niantso hoe mpampianatra tsara izy mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. Indraindray koa miseho amin’ny fiainantsika andavan’andro ny toy izany mba hahatrarana ny tanjona. Ny fahatsarana dia natokan’ny Jiosy hilazana ny fahamboniana ho an’Andriamanitra sy ny Didiny. Koa nasain’ny Jesoa nitodika any amin’ilay Tsara ity tovolahy ity (and.17), mba hanaovany soa amin’ny mpiara-belona aminy. Satria mpampianatra Jesoa izay milaza ny fahatsarana ao amin’Andriamanitra sy ny asa tsara nataony. Isika koa, andeha hanao asa tsara.
2- Ilay maniraka ho amin’ny asa tsara
Ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo sy ny saina ary ny fanahy manontolo no asa tsara. Nahatanteraka izany ve ity tovolahy ity? Nangatahan’i Jesoa izy hanolotra izay ananany mba hanampiana ny mahantra, ary manaraka Azy no ho fanampin’ny asa tsara (19.21). Irahin’ny Tompo isika. Hazony hatramin’ny farany ny tsara izay nekenao mba hahalavorary ny iraka hanirahana anao. Maneke an’Andriamanitra sy ny Teniny ary ny irany raha te- hahazo ny fanjakan’ny lanitra.
Fanontaniana:
Tsara sady mpanao ny tsara tokoa ny Tompo satria…
Sampana Sekoly Alahady FOIBE- FJKM