Miorena amin’ny asa tsara
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Aogositra 2021
ASAN'NY APOSTOLY 7.51-8.1
Asan'ny Apostoly 7,51 - 8,1
51 Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa. 52 Iza no mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian'ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo, 53 dia olona izay nahazo ny lalàna tamin'ny nandaharan'anjely azy, nefa tsy nankato izany. 54 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy. 55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra, 56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra. 57 Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, 58 dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. 59 Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. 60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry. 1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.Miorena amin’ny asa tsara
1-Maneke ho feno ny Fanahy Masina
Izay ambaran’ny mpanoratra eto dia samy mafy hatoka no tsy voafora fo sy sofina . Feno fanoherana ny Fanahy Masina . Feno tsy fankatoavana an’ Andriamanitra sy ny teniny . Tsy mba toy izany izay miorina amin’ny asa tsara . Manaiky ho feno ny Fanahy Masina hahatanteraka ny fikasana .
2-Feno fiadanampo
Na dia teo aza ny fanenjehana nahazo an’i Stefana nisy ny fiadanampo lalina izay nameno ny fony Tsy natahotra fa feno ny Fanahy Masina , nibanjina ny lanitra . Ianao koa mety hiharan-doza noho ny amin’ny Tompo . Raha miorina tsara ianao dia feno fiadanampo , fa tsy handositra akory .
3- Mahay mangataka ho an’ny fahavalo
Raha mitory marina ny Filazantsara ianao . Tsarovy fa be no hanampi-tsofina , tsy hahazaka ny marina , ho maro ny fahavalo hanohitra anao . Hiharan’ny fitsaram-bahoaka tahaka an’i Stefana . ny olo-marina miorina tsara dia afaka mangataka ho an’ny fahavalony , na dia hiafara amin’ny fahafatesana aza.Tokony ho vonona sy hampiely ny Filazantsara daholo ny kristiana rehetra , eny na dia hitondra ho amin’ny fahafatesana aza ny fanaovana izany . Aoka hiorina tsara .
Fanontaniana :
Efa mba voatora-bato ve ianao amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ? Lazao
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM