Jesoa Kristy Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Aogositra 2021
JAONA 10.22-30
JAONA 10.22-30
22 Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro. 23 Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona. 24 Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. 25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy. 26 Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko. 27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, 28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. 29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray. 30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.Jesoa Kristy Tompo
1-Mpanao asa tsara
Fanontaniana mahakasika ny maha-Kristy marina an’i Jesoa no napetrak’ireo Jiosy taminy eto.Tsy namaly mivantana ny Tompo fa ny asa tsara izay nataony tamin’ny Anaran’ny Ray no porofo nentiny . Any amin’ny Mat 11.4-6 dia tanisain ‘i Jesoa mivantana kokoa ireo asa tsara maneho ny maha-Kristy Azy : « mahiratra ny jamba , afaka ny mandringa , diovina ny boka , malady ny marenina, atsangana ny maty ary ny malahelo dia hitoriana ny Filazantsara « .
2-Mahalala ny ondriny
Teo amin’ny Jiosy dia misy ny valanondry itambarana. Ny mpiandry ondry, mahalala ny ondriny ary ny ondry mahafantatra ny feon’ny mpiandry azy . Raha tsy ny mpiandry azy no miantso ny ondry dia tsy mety hivoaka ao am-bala ireo ondry ireo . Jesoa Kristy Tompo , Ilay Mpiandry tsara dia sady mahalala ny ondriny no fantatry ny ondriny . Tsarovy fa fantatry ny Tompo ianao .
3-Manome fiainana mandrakizay
« Ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay , ka tsy ho very izy mandrakizay… » (and 28a) Tsy mionona amin’ny famahana olana amin’ny ankehitrin’ny mpino ihany ny Tompo fa mikarakara sy manomana fiainana maharitra ho antsika ihany koa. Tsy vitan’izany fa mbola manome antoka ny Tompo hoe: » tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako » (and 28d)
Fanontaniana :
Inona avy ireo porofo manambara ny maha- Kristy an’i Jesoa ? Midika inona aminao ny fahafantarany anao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM