Ny asa fiantrana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Aogositra 2021
MATIO 6.1-4
MATIO 6.1-4
1 Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo* eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.[*Na: ny fiantrana] 2 Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana, 4 mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.Ny asa fiantrana
1-Atao ho Voninahitr’Andriamanitra
« Tandremo mba tsy hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona hahitany izany « (and1). Mampirisika ny fanaovana asa soa sy fiantrana ny Tompo . Voasoratra hoe : « Araraoty ny andro azo hanaovantsoa fa miharatsy izao fiainana izao » . Ny mpanao asa soa amin’izany dia mifantoka tsara amin’ny famahana olana ary fanomezam-boninahitra ny Tompo izay mibaiko sy maniraka .Raha manao ny asan’ny fahamarinany eo imason’ny olona kosa dia efa misitraka sahady ny valimpitia ety an-tany avy amin’ireo olona ireo . Ny fanompoana izay atao mivantana amin’i Jesoa kosa dia azo atao soa fianatra ho an’ny hafa. « Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny Filazantsara dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fahatsiarovana azy » (Mat 14.9)
2-Hahazoana valim-pitia avy amin’Andriamanitra
« … mba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao , ary ny rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao (and4) « . Any amin’ny Tompo isika no mila sitraka fa tsy amin’ny olombelona tahaka antsika ihany . Hoy i Paoly Apostoly hoe : « Ary ankehitriny , olona va no ilako fitia sa Andriamanitra ? Raha mbola mila sitraka amin’ny olona aho dia tsy mpanomponi Kristy « . Araka izany dia zontsika ny mitady ny fankasitrahana avy Aminy .
Fanontaniana :
Inona no tokony hotandremana ho an’ireo izay hijoro vavolombelona araka ity fampianarana ity ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM