Jesoa Kristy miantso olona hanaraka Azy
Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Jolay 2021
Matio 4. 18 - 22
Matio 4. 18 - 22
18 Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy. 19 Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. 20 Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. 21 Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy. 22 Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.Jesoa Kristy miantso olona hanaraka Azy
1- Maneho ny fitiavany
« Dia hoy Jesosy taminy : Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. » (And. 19)
Rehefa nahita an’i Simona sy Andrea mirahalahy nanarato teo amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesoa dia niantso azy ireo hanaraka Azy. Nantsoina ho mpanarato olona izy mirahalahy. Ny ranomasina dia entina milaza izao tontolo izao ary ny Filazantsara no harato (Mat. 13. 47). Fitiavan’i Jesoa Kristy azy mirahalahyizany sady fitiavana hanafaka ny hafa amin’ny fangejan’ny ota ho amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy ny fiantsoana ny mpianatra. Araka izany, ny fiantsoan’ i Jesoa Kristy olona mba hirahiny dia midika ho fitiavany ilay olona nantsoiny sady fitiavana ny olona hitoriana ny Filazantsara ihany koa. Koa ekeo ny antson’i Jesoa Kristy miantefa aminao fa fitiavany anao izany sady famonjena ny hafa koa
2-Maneho ny heriny
« Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy « (and20)
Mampieritreritra ny zava-mitranga eto : Vao nandre ny antson’i Jesoa Kristy izy efatra mirahalahy ireto dia nandao ny haratony , ny sambony , ny ankohonany (and22). Nanaraka an’i Jesoa Kristy tsy nisy fepetra na ady hevitra fa nanaiky am-pahatsorana .Ny anton’izany fanekena moramora izany dia satria ny antson’ny Tompo dia misy hery miantefa ao am-pon’ny olona izay antsoina mba hitaona ny hafa hanaraka an’i Jesoa ihany koa .Ny Tompo irery ihany no miantso izay tiany amin’ny heriny , manomana azy amin’ny asa fanompoana ,fa tsy miankina amin’ny faniriana na fandavan’ny olona ihany koa. Ny olom-boantso dia nantsoina tamin’ny herin’i Jesoa Kristy hamonjy ny hafa.
Fanontaniana :
Inona no nanosika anao hamaly antson’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM