Andriamanitra miantso olona
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Jolay 2021
JEREMIA 1.4-10
JEREMIA 1.4-10
4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. 6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. 7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. 8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. 9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, 10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.Andriamanitra miantso olona
1-Manomana azy mialoha
« Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro …no efa nohamasiniko sy notendreko » (and5)
Nantsoin’Andriamanitra ho mpaminany i Jeremia. Tsy vao tamin’io fotoana io akory no resy lahatra ny aminy Andriamanitra fa nisy fanomanana mialoha nataony . Talohan’ ny nahaterahany no efa nomanina ho mpaminany izy . Mahafantatra sy manamasina ny olona antsoiny Andriamanita izay vao manendry azy ho mpaminany . Olona efa voaomana mialoha no antsoin’Andriamanitra hanao ny asany . Tsy kisendrasendra akory no iantsoan’Andriamanitra fa efa fantany mialoha , navahany tao anatin’ny maro , ary omeny fahefana mialoha mifanaraka amin’ny fanompoana hotanterahiny izany olona izany .
2-Maniraka azy hiasa
« …hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly » (and 10)
Andraikitra lehibe nanirahan’Andriamanitra an’i Jeremia mpaminany ny handrava sy hanangana indray. Ny fandravana dia milaza ny fitsaran’Andriamanitra ary ny fananganana indray dia milaza ny fahasoavan’Andriamanitra . Midika izany fa ny asan’ny mpaminany dia ny mandrava ireo tsy mety rehetra ary manorina sy manamafy orina izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra . Mafy sy sarotra kokoa ny milaza ny fandravana noho ny milaza ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny olona . Kanefa , tsy maintsy milaza ireo zavatra milaza ireo zavatra roa ireo ny olom-boantso, tahaka an’i Jesoa Kristy nanana fahasahiana nanambara ny fahaverezan’ny tsy mino ary famonjena ho an’ny mpino .
Fanontaniana :
Ahoana ny fandraisanao ireny hafatra milaza fandravana ireny ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM