Ny olom-boafidy hitondra ny Anaran’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Jolay 2021
Asan'ny Apostoly 9. 1 - 19
Asan'ny Apostoly 9. 1 - 19
1 [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy 2 ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy na vavy. [*Gr: lalana] 3 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; 4 dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? 5 Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; 6 fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao. 7 Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona. 8 Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy. 9 Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro. 10 Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko. 11 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy; 12 ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony. 13 Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema. 14 Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. 15 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; 16 fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako. 17 Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao. 18 Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa; 19 ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. [Ny nitorian'i Saoly tany Damaskosy sy Jerosalema] Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy.Ny olom-boafidy hitondra ny Anaran’i Jesoa Kristy
1-Miaritra fahoriana noho ny Anarany
« Fa hasehoko azy ny habetsahan’izay tsy maintsy hiaretany ho Voninahitry ny Anarako » (and16)
Rehefa nantsoin’ny Tompo ho any an-tranon’i Jodasy hampahiratra ny mason’i Paoly i Ananiasy dia nisalasala ihany . Natahotra i Ananiasy satria efa maro no niharan’ny fanenjehana nataon’i Saoly . Tamin’izany no nilazan’ny Tompo taminy fa tsy maintsy hiaritra fahoriana noho ny Anaran’i Jesoa Kristy i Saoly , satria efa fanaka voafidy . Ny olom-boafidy hitondra ny Anaran’ny Tompo dia tsy maintsy miaritra fahoriana ho Voninahitry ny Tompo . Fenitra ho an’ny mpino kristiana izany. Làlana efa nolalovan’i Jesoa Kristy izany , narahin’ny mpianatra ary mbola iainan’izay rehetra voafidy hitondra ny Anaran’i Jesoa Kristy ihany koa ho Voninahitry ny Anarany .
2-Omena ny Fanahy masina
« Dia nametra-tànana taminy … mba hahiratan’ny masonao ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao » (and 17)
Nirahin’ny Tompo i Ananiasy hametra-tànana tamin’i Saoly , ilay voafidin’Andriamanitra , hitondra ny Anaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny Jentilisa. Rehefa avy nametra-tànana tamin’i Saoly i Ananiasy dia sady sitrana izy no nandray ny Fanahy Masina . Araka izany ny fametrahan-tànana dia fanomezana ny Fanahy Masina mba hahafahana maneho ny herin’ny Filazantsara amin’ny asa misiona rehetra atao . Hery miasa amin’ny olom-boafidin’ny Tompo hanao ny asany ny Fanahy Masina . Tsy maintsy omena ny Fanahy Masina ny olona voantso sy nofidian’ny Tompo ary afaka manao ny asa fitoriana ny Filazantsara. Koa ny olom-boafidin’ny Tompo dia omeny ny Fanahy Masina .
Fanontaniana :
Avy aiza ny hery entinao manao ny asan’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM