Ny olona maniry hanaraka an’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Jolay 2021

LIOKA 9.57-62

LIOKA 9.57-62
57 Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao. 58 Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo* manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.[*volpa] 59 Ary hoy Izy tamin'ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko. 60 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra. 61 Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko. 62 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Ny olona maniry hanaraka an’i Jesoa Kristy

« Fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hametrahan’ny lohany » (and58)

Naniry hanaraka an’i Jesoa Kristy na aiza na aiza ity lehilahy ity .Te-handova ny fiainana mandrakizay fotsiny izy fa tsy te- hiombona fahoriana Aminy .Tamin’izany no nanambaran’i Jesoa Kristy taminy fa mora ny miteny hanaraka an’i Jesoa fa sarotra ny hiaina izany eo amin’ny fiainana isanandro . Tsara ny fahavononana hanaraka an’i Jesoa Kristy , saingy tsy maintsy miomana hiombona fahoriana Aminy ihany koa , satria raha tombotsoa manokana no manosika ny olona hanaraka an’i Jesoa Kristy dia hamadika ny Filazantsara ho fahazoan-javatra izany olona izany . Ka mila antoka sy fanapahankevitra hentitra izany . Manaraha an’i Jesoa Kristy na amin’ny mora na amin’ny sarotra .

2-Manome lanja ny fitoriana ny Filazantsara

« Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy, fa ianao kosa mandehana ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra «  (and60)

Eto indray i Jesoa Kristy no miantso olona hanaraka Azy . Tsy afaka avy hatrany ity lehilahy ity satria adidin’ ny zanaka ny mikarakara ny ray amandreny , araka ny fomba tamin’izany . Tsy nanaiky izany i Jesoa , satria lehibe lavitra noho ny fomba sy ny kolontsaina ary ny volintsaina ny fitoriana ny Filazantsara dia toy ny efa maty ara-batana sy ara-panahy . Ka ny fahafatesana dia fandavana ny antson’i Jesoa Kristy noho ny amin’ny fomba sy ny kolontsaina . koa ataovy laharana voalohany ny famalianao ny antson’i Jesoa Kristy tonga aminao .

Fanontaniana:

Inona no sakana tsy hamalianao ny antson’i Jesoa Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM