Ny olona tarihan’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Jolay 2021

ASAN'NY APOSTOLY 16.6-15

ASAN'NY APOSTOLY 16.6-15
6 [Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao Filipy] Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia 7 ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy. 8 Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy. 9 Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay! 10 Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any. 11 Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia. 12 Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana*; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. [* Gr. kolonia] 13 Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo. 14 Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly. 15 Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.

Ny olona tarihan’ny Fanahy Masina

1-Mankato ny Teniny

« ka efa tonga tany an-tsisin’i Mysia dia nitady hankany Bytinia izy , fa tsy navelan’ny Fanahy Masin’i Jesoa  » (and7)

Naniry dia naniry i Paoly hitory Filazantsara tany amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Asia Minora iny,dia i Bytinia izany , rehefa namaky ny tany Frygia sy Galatia . Tsy neken’ny Fanahy Masina anefa izany . Noho ny fankatoavan’iPaoly ny fitarihan’ny Fanahy Masina , dia tsy nankany tokoa izy . Ny olona izay tarihan’ny Fanahy Masina dia manaiky hampandefitra ny fikasany sy ny faniriany noho ny fankatoavana ny Tenin’ny Fanahy Masina . Tsy ny sitrapon’ny olona mahatsapa fa itoeran’ny Fanahy Masina akory no atao fa ny baikon’ny Fanahy no tanterahina . Koa ekeo ny baikon’ny Fanahy .

2-Mamaly ny antson’ny mila vonjy

« Mità mankaty Makedonia , ka vonjeo izahay! » (and9)

Fangatahana nataon’ilay lehilahy Makedoniana hitan’iPaoly Apostoly tamin’ny fahitana ny alina . Resy lahatra i Paoly sy ny namany avy any amin’ny faritra Asia Minora , ho any Makedonia amin’ny faritr’i Eropa. Fanapahan-kevitra nateraky ny antson’ilay lehilahy mangetaheta famonjena avy amin’ny Filazantsara. Ny olona manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina dia maika hamaly ny antson’ny mila vonjy avy amin’ny Filazantsara , satria mihevitra izany ho antson’Andriamanitra handrenesan’ny hafa ny Filazantsara . Koa ny olona miorina amin’ny antson’ny Tompo dia maika hanambara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina

Fanontaniana :

Inona avy ny fomba sy toetra anehoanao ny maha-olom-boantson’ny Tompo anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM