Ny toetran’ny olom-boantso
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Jolay 2021
EFESIANA 4.1-6
EFESIANA 4.1-6
1 [Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin*'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [* Gr. ao amin'] 2 amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana, 3 mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana. 4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; 5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, 6 iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.Ny toetran’ny olom-boantso
1-Mifankatia
« Amin’ny fanetre-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy amin’ny … » (and2)
Ny fitiavana sy ny fifankatiavana ambara eto dia miainga amin’ny fitiavana marina an’i Jesoa Kristy sy ireo olona izay novidiany tamin’ny Rany . Izany fitiavana izany no antoka hahaizan’ny olona miaina ny fanetretena , ny fahalemem-panahy , ny faharetana , ny fandeferana . Tsy ho hain’ny olona tsy manana fitiavana marina an’i Jesoa Kristy ny hanana ireo toetra ireo amin’ny fifandraisana amin’ny mpino tahaka azy . Rehefa tsy manana ny fitiavan’iKristy ny olona dia tsy mahay miara-monina amin’ny hafa , eny fa na dia ireo mpino kristiana tahaka azy aza. Koa toetran’ny olona miaina ny fiantsoana ny fitiavana an’i Kristy izay aseho amin’ny fahaizana miara-miaina amin’ny hafa .
2-Miray saina
« mazoto mitana ny firaisana avy min’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana » (and3)
Ny firaisana avy amin’ny Fanahy dia toetra foronin’ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra vokatry ny fahatsapan’ny mpino fa miombona finoana sy fanantenana noho ny fiantsoana izy ireo . Azon’ny mpino atao ny mampitombo izany amin’ny alalan’ny fifankatiavana , ary azo atao ihany koa ny manimba izany amin’ny fitiavan-tena , fiavonavonana … Ka ny toetran’ny olom-boantso miombona ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia ny firaisan-tsaina avy amin’ny Fanahy Masina . Mitombo hatrany izany arakaraky ny fahatsapan’ny tsirairay fa mpiray fanantenana handova ny fiainana mandrakizay izy ireo . Koa miraisa saina .
Fanontaniana :
Inona no antony mahatonga fisaraha-tsaina eo amin’ny samy kristiana ao am-piangonana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM