Ny olona mandre ny antsom-pamonjen’iJesoa Kristy
Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Jolay 2021
MARKA 10.46-52
MARKA 10.46-52
46 Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'i Timeo. 47 Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko! 48 Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 49 Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy. 50 Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin'i Jesosy. 51 Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko. 52 Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.Ny olona mandre ny antsom-pamonjen’iJesoa Kristy
1-Maika hanatona Azy
« Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’i Jesoa » (and50)
Rehefa avy niantso famindrampo tamin’i Jesoa Zanak’i Davida i Bartimeo jamba ,dia nanary ny lambany sy niantsambotrambotra nanatona an’i Jesoa . Nafoiny ny lamba firakofany , fanangonany sakafo sy vola fanomezana azony , satria maika handray ny famonjena avy amin’i Jesoa Kristy izy . Rehefa mandre ny antsom-pamonjen’i Jesoa Kristy ny olona dia tokony ho maika hanatona an’i Jesoa , mahafoy izay zavatra heverina ho sarobidy eo amin’ny fiainana aza noho ny hamehana handray ny famonjena . Koa araraoty ny fanatonana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy . Aza avela hisy hahasakana ana amin’ny fanatonana Azy mba hahazoanao famonjena .
2- Manambara Aminy ny faniriany
« …Rabony ô, ny mba hampahiratina ny masoko » (and51). Rehefa tonga teo amin’i Jesoa Kristy i Bartimeo jamba dia nanontanian’i Jesoa azy izay iriny . Tamin’izany , dia tsy nisalasala i Bartimeo nanambara ny hetahetany dia ny hampahiratina ny masony . Noraisin’i Jesoa ho endriky ny finoana avokoa izany nataon’i Bartimeo izany ka dia sitrana izy . Rehefa matoky sy mino fa i Jesoa Kristy tokoa no Mpamonjy ny olona manatona Azy , dia ho tonga amin’izany olona izany ny famonjena . Mariky ny finoana ny fanatonana sy ny fanambarana amin’i Jesoa Kristy ny olana izay mahatery ny olona . Koa manatona an’iJesoa Kristy amin’ny finoana tsy misy fisalasalana . Ambarao azy ny olana dia hovonjena ianao .
Fanontaniana :
Inona ny fihetsika raha mandre ny amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM