Ny olona antsoin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Jolay 2021

1 Samoela 3. 8 - 14

1 Samoela 3. 8 - 14
8 Ary Jehovah niantso an'i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr'i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza. 9 Ary hoy Ely tamin'i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin'ny fandriany. 10 Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. 11 Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin'ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa. 12 Amin'izany andro izany dia hotanterahiko amin'i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin'ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko. 13 Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an'ny tenany, nefa tsy nosakanany. 14 Koa izany no nianianako ny amin'ny taranak'i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.

Ny olona antsoin’ny Tompo

1- Mivonona hihaino Azy

« Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. » (And. 10)

In-telo miantoana no niantsoan’Andriamanitra an’i Samoela saingy tsy fantany fa Jehovah no miantso azy, ka nahatonga azy nanatona an’i Ely mpisorona hatrany. Ary tamin’ny antso faninefany no nanehoan’i Samoela fahavononana hihaino an’i Jehovah rehefa notoroan’i Ely mpisorona hevitra. Amin’ny alalan’ny Teniny no iantsoan’Andriamanitra ny olona ary ny olona mandre ny antson’Andriamanitra no maneho fahavononana hihaino Azy. Antson’Andriamanitra aminao ny fandrenesana ny Teniny. Ny fahavononana hihaino ny Tenin’Andriamanitra dia famaliana ny antson’Andriamanitra . Jesoa Kristy no Tenin’Andriamanitra tonga nofo, ka henoy izay lazainy.

2- Hanambarany ny hataony

« … Hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, … » (And. 13)

Ely mpisorona nanana zanaka mirahalahy natao hoe Hofinia sy Finehasa izay ratsy toetra , nanimbazimba ny zava-masina tao amin’ny Tabernakely. Na izany aza ny faharatsian’izy ireo, tsy nanala azy ireo tamin’ny fanaovana ny raharaha tao amin’ny Tabernakely i Ely. Heloka teo anatrehan’Andriamanitra izay nahatonga ny fitsarana an’i Ely izany. Nambaran’Andriamanitra tamin’i Samoela ny hataony eto. Ny antony iantsoan’Andriamanitra olona, dia hanambarany ny hataony sy ny fikasany amin’ny olona antsoiny Ary izany no asan’ny Fanahy Masina amintsika : mampahahafantatra ny hataon’Andriamanitra sy Jesoa Kristy amin’ny olona ihany koa.

Fanontaniana :

Inona avy ireo fiheveran-diso momba ny antson’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE- FJKM