Andriamanitra manome toky ny vahoakany
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Jolay 2021
Isaia 41. 8 – 13
Isaia 41. 8 – 13
8 Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako, 9 Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako: 10 Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho. 11 Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao. 12 Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. 13 Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.Andriamanitra manome toky ny vahoakany
“Efa nofidiko ka tsy mba nariako” (And. 9)
Nahatsiaro ho nafoin’Andriamanitra tanteraka ny Jiosy satria babo tany Babylona . Rava ny tanànan’I Jerosalema sy ny Tempoly noho ny fahotan’ny mpitondra sy ny vahoaka. Nanoloana izany, manome toky fa hanary ny vahoaka nofidiany Andriamanitra. Mitana ny teny nataony amin’ny olom-boafidiny Andriamanitra na dia mivadika amin’ny fanekena aza ny olona. Kanefa izay rehetra mivadika amin’ny fanekena nataony tamin’Andriamanitra dia sazian’Andriamnitra mba hahatsiarovan’izany olona izany fa Andriamanitra efa nifidy azy. Koa tsarovy fa efa nifidy anao Andriamanitra tao amin’I Jesoa Kristy ka aza mivadika Aminy.
2-Mampahatsiahy ny maha Andriamanitra Azy
“Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao”. (And. 10)
Fomba fisainana tamin’izany ny hoe : izay firenena mandresy amin’ny ady no mahery ny andriamanitra ivavahany. Ka ny faharesen’ny vahoakan’Andriamanitra dia toa midika hoe : malemy Ilay Andriamanitra notompoiny. Izany no mahatonga an’Andriamanitra mampatsiahy fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery ihany ary Izy Irery ihany koa no tokony hotompoina sy hanafaka. Ny olona izay manaiky hanompo an’Andriamanitra ao anatin’ny olana sy fahasahiranana no omeny tokim-panafahana. Koa manompoa an’Andriamanitra, amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Ilay herin’Andriamanitra, dia ho afaka hianao.
Fanontaniana :
Ahoana ny fomba hanehoana ny fatokiana an’Andriamanitra eo amin’ny olana atrehinao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM