Eo ampiandrasana izany anefa dia amporisihan’i Petera ny mpino mba :
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Jolay 2021
2 Petera 3. 11- 18
2 Petera 3. 11- 18
11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, 12 sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra*! [* Na: maniry mafy] 13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. 14 Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana. 15 Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, 16 tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. 17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo; 18 fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.Eo ampiandrasana izany anefa dia amporisihan’i Petera ny mpino mba :
1- Ho hita tsy manan-tsiny (and 14)
« Dia mazotoa mba ho hita tsy mana-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana ». Ny toe-panahy tokony ananan’ny mino eo am-piandrasana ny fiverenan’i Kristy indray no atoron’i Petera eto. Ny hevitry ny hoe : tsy manan-tsiny dia hoe : tsy milona na mijanona ho andevon’ny ota intsony satria efa voavonjin’i Kristy tamin’izany rahateo . Ianao koa : ialao ny faharatsiana, ialao ny fahalotoana eo am-piandrasana an’ i Jesoa indray .
2- Mahatakatra ny famonjen’Andriamanitra (and 15)
« Ary ny fahari-pon’ ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’i Paoly rahalahy malalantsika ». Nisy fampianarana hafahafa tamin’izany fotoana izany nilaza fa tsy misy izany andron’ny Tompo izany. Ampianarin’ i Petera anefa eto fa matoa tsy mbola tonga indray i Kristy dia famonjena izany, fitiavana izany satria manome fotoana ho an’ny olona mba hialany amin’ny ratsy ka handraisany an’ i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy Azy. Mbola famindram-pon’Andriamanitra izany. Ianao koa, fantatro tsara fa isan’ny misitraka izany fahari-pon’ny Tompo izany ianao matoa mbola mahita ity mofon’aina ity . Araraoty , raiso marina i Jesoa .
3- Mitàna tsara ny finoana (and 17)
« Tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo« . Ny mpino dia mahalala tsara izay ambaran’ny Soratra Masina sady efa nampianarina izany ka tokony hifikitra amin’izany mba tsy ho mora mihozongozona na ho mora havilin’ny mpampianatra sandoka ! Tano tsara àry ny finoana izay efa nampianarina anao !
Fanontaniana :
Manao ahoana ny fanantenanao ny tany vaovao sy lanitra vaovao nampanantenain’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM