Anorenana ny maha Kristiana ny finoana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 21 Jona 2021
Jeremia 13.15 - 17
Jeremia 13.15 - 17
15 Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny. 16 Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito. 17 Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin'i Jehovah.Anorenana ny maha Kristiana ny finoana
Olona tsy nanaja ny fanekena nataony tamin’Andriamanitra no niantefan’ity faminaniana nataon’i Jeremia ity. Antso ho antsika koa sao tonga hiavonavona isika ka tsy hahay hibebaka.
1- Aza miavonavona :
Ny fampahafantaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany ny tsy mety ataon’ny olona dia tonga toe-javatra nanamafy ny fon’izy ireo. Tsy nosaininy akory fa lasa lavitra an’Andriamanitra izy noho ny fahotany. Tsy hafa amin’izany isika ankehitriny (Isa.59.2). Antsoin’Andriamanitra mba hiala amin’ny faharatsiana ary tena hiaiky heloka eo anatrehany. Fa fototry ny fiainam-baovao izany.
2- Manomeza Voninahitra: Ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra dia tsy inona fa ny fanekena hanana fiainana na toe-piainana maneho voninahitra Ilay Mpahary. Fa firy amintsika no mba miezaka manao zavatra ho amin’ny fanomezam-boninahitra Ilay Andriamanitsika? Fa maro amin’izay ataontsika no lasa nitenenan-dratsy Ilay inoantsika. (vakio 1 Kor.10.31 ; Fil.1.11)
3- Mahaiza manararaotra :
Dieny tsy mbola tonga ny haizina, hoy i Jeremia eto. Ny ambara I ishoe : haizina eto dia tsy inona fa ilay fanasaziana, ilay fotoana hialan’ny fiarovan’Andriamanitra ka hanjakan’ny fahoriana atobaky ny fahavalo. Izay mino indrindra no tsy maintsy hanararaotana raha mbola tsy tonga izany. Io no andron’ny haizina, ilay feno tomany sy horohoro noho ny fanenenana noho ny ratsy vita. » Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran’ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ny maizina dia tsy mahalala izay alehany » (Jao. 12.35)
Fanontaniana:
Ary ianao mba ahoana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM